Filtrer les éléments par date : jeudi, 07 avril 2022

7 avril : Journée Internationale de réflexion sur le génocide de 1994 au Rwanda.

 

Publié dans Fil info

Nifarana ny Talata 5 Aprily 2022 ny andraikitra maha Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe an-dRamatoa Rajoelisoa Soatiana teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Andraikitra notanany nanomboka tamin’ny Jona 2021.

Ramatoa Lova Hasinirina Ranoromaro indray no voatendry hisahana izany andraikitra izany. Ity farany izay Talen’ny Kabinetra Sivily teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

Publié dans Politique

Nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Ministra ny Talata 5 aprily 2022 ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa Lova Hasinirina RANOROMARO, ho Mpitondra Tenin’ny Filohan’ny Repoblika, sady Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

Talen'ny Kabinetra Sivily teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika izy talohan'izao fanendrena azy amin'ity andraikitra vaovao ity izao.

Ny minisitry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy teo aloha, BAOMIAVOTSE Vahinala Raharinirina indray izao no Talen'ny Kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

 

Publié dans Politique

Nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny talata 05 Aprily 2022 ny didim-panjakana manendry ny Talen'ny Kabinetra Sivily eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Ramatoa BAOMIAVOTSE Vahinala Raharinirina.

Minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (Janoary 2020-Martsa 2022) tao amin'ny governemanta Ntsay Christian ity farany, nialoha izao fanendrena azy amin'ity andraikitra maha Talen'ny Kabinetra Sivily eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika izao.

Niarahaba azy noho izao andraikitra vaovao raisiny izao ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Patrick Rajoelina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

7 avril : Journée Mondiale de la santé.

 

Publié dans Fil info