Filtrer les éléments par date : mercredi, 06 avril 2022

Oniversiten’Antananarivo, faha-6 aty amin’ireo firenena Afrikana aty atsimon’i Sahara, ka mampiasa ny teny frantsay ny filaharany raha ny fahitana azy eny amin’ny Internet.

Heverina fa tsy ho noho ny fitokonana na fitakiana vatsim-pianarana, izay toa zary marika amantarana ny oniversitem-panjakana, io filaharana io fa noho ny lentan’ny fampianarana sy ny fikarohana atao eny, ary vokatr’izany amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Tato ho ato anefa toa korontana sy savorovoro no mitranga, indrindra eto amin’ny Onivesten’Antananarivo. Manodidina ny resaka vatsim-pianarana sy karaman’ny mpandraharaha no olana, ary ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa hatrany no tratra farany miatrika izany.

Publié dans Politique

6 avril : Journée mondiale du sport pour le développement et la paix.

 

Publié dans Fil info

Inona moa no tanjona ?

Aman-tapitrisany taona maro no nisian'ireo karazam-bato sy harena ao ambanin'ny tany ireo.
Tsy hisy fiforonan'ireo intsony ihany koa, mba tsy hilazana hoe an-tapitrisan-taona maro hafa indray vao hisy ohatr'ireo.

Fa amin'izany ve mbola ilaina, sy mbola manana lanja toy ny amin'izao ireo, sa efa misy teknolojia sy filana hafa indray.

Raha ny tantara tokoa manko, 2000 taona lasa, dia ny vy no nanandanja kokoa noho ny volamena, satria ny zavatra sarotra tadiavina hatrany no omen-danja noho ny zavatra efa hita. Satria tokoa ny volamena no nitobaka tamin'izany, fa ny vy mbola tsy nisy firy, ka tsy nahagaga raha tamin'ny andron'ny Pharaon tany Egypta, dia nampitondraina lefona vy ireo mpanjaka namoy ny ainy, ary rindrina nitemotra volamena ny efitra pyramide nisy ny fasany.

Mivoatra izany ny lanja omena ireny vato sy vy ary harena ankibon'ny tany ireny arak'izay filan'ny olombelona.

Publié dans Editorial

Hiroso avy hatrany amin'ny famerana ny vidin'ny PPN sy ny tombony azon'ny mpivarotra alaina ny Fanjakana, taorian'ny dinika nifanaovan'ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin'ireo mpisehatra ara-barotra voakasika rehetra.

Nambara tamin'ny fomba ofisialy ny 05 avrily 2022 ny vidy farany ambony amin'ny PPN eto Antananarivo sy ny Faritra Analamanga.

Ho fantatra tsy ho ela koa ny vidin'entana farany ambony ho an'ireo faritra hafa.

"Manentana ireo mpanjifa hilaza ety anivon'ny Ministeran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, raha toa mahita tsy fanajana ny vidin'entana efa nifanarahana", hoy ny Minisitra androany.

 

Publié dans Economie