Canal de Madagasikara : Lalana ifamevezivezen'ny 30% sambo mpitondra solika maneran-tany
700 millions de tonnes pétrole brut, na 30% n'ny famokarana solika maneran-tany, no mandalo eo amin'ny lakan-dranon'i Madagasikara (Canal de Mozambique) anelanelan'i Seychelles, Mayottes, Comores, Mozambique, Madagasikara ao anatin'ny taona.
Miisa 5000 any ireo sambo lehibe mivezivezy eo. Raisina toy ny autoroute maritime mihitsy izy, ka misy sarany tsy maintsy aloan'ireo mifamezivezy eo.
Ny atsasaky ny fari-dranomasina ao amin'io lakan-drano io dia anjaran'i Madagasikara, na ny ambany ranomasina na ny fitrandrahana ny ranomasina sy ny jono an-dranomasina.
Nahatratra 190 000tonnes ny lanjan'ny trondro nojonoina ho an'i Madagasikara ny taona 2017, ary nihena 142 000tonnes kosa izany ny taona 2018.
Centrafrique : Noraisina ho vola azo ampiasaina ny Bitcoin
Firenena afrikanina voalohany nampiasa ny Bitcoin ho vola azo ampiasaina ofisialy i Centrafrique.
Ny Bitcoin dia vola elektronika, cryptomonnaie, izay mety miovaova sanda hifanakalozan'olon-droa, tsy voafehin'ny rafitra ara-bolan'ny firenena iray.
Mety miova ny sandany arakaraky ny tsena sy ny fifanakalozana.
Nisafidy ity vola elektronika bitcoin ity i Centrafrique satria mora apetraka ny fanatanterahana azy, rafitra efa misy no ekena sy ampiasaina. Ny Afrikanina rahateo efa zatra ny fandoavam-bola amin'ny alalan'ny finday.