Filtrer les éléments par date : dimanche, 03 avril 2022

Notanterahina ny zoma 1 aprily 2022, sady Taombavao Malagasy, no andro tsena ao Imito rahateo, ny fizaran’ny Kaominina fitaovana ho fampitaovana ireo Fokontany miisa 22 mandrafitra ity Kaominina iray ao anatin’ny Distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania ity.

Simenitra amin’ny kitapo, hazo « madrier », hazo fanaovana valindrihana, fanitso, « panneau solaire », takamoa, penina, penisily hazo, taratasy, seza, latabatra, loko, vola … no nozaraina teo anatrehan’ny Vahoaka, notarihin’ireo Sefo Fokontany rehetra.

« Vola madidion’ny Kaominina no nenti-nanana ireo fampitaovao ireo, ho famaliana ny fangatahan’ny Fokontany, araka ny filan’izy ireo tsirairay avy », hoy Razafimanantsoa Andriatsiravana Jean Marie, Ben’ny Tanàna, sady mpahay toekarena.

Fanambin’ity farany ny hitondra fomba fanao vaovao amin’ny politika. Izy, izay nanipika mazava fa « azo atao ny mampandroso, miainga amin’izay eo ampelan-tanana ».

Publié dans Vaovao