Filtrer les éléments par date : vendredi, 29 avril 2022

Araka ny tatitra ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022, dia tsy nisy sonia ny ankabeazan'ireo tambin-karama, indemnité, nomena tamin'ny fitantanam-bola nentina niady tamin'ny Covid-19.

Isan'izany ireo :
- Tambin-karama nomena ireo mpanara-maso isan-trano ireo marary Covid-19
- Ireo Miaramila nizara ny CVO
- Ireo niasa teny amin'ny Village Voara sy Cnaps Vontovorona

Nomena 2 000 000ar isaky ny Solombavam-bahoaka tamin'ny fitsinjarana ny "Vatsy tsinjo".

Tafandria mandry e.
Patrick

(Loharano : Tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022)

 

Publié dans Pilo kely

Une délégation composée de Andry Ramaroson, Ministre de l’Energie et des Hydrocarbures, Rivo Radanielina, Directeur General par intérim de la JIRAMA et De sire Marcel Randrianarisoa, Directeur General adjoint chargé de l’Electricité ont, récemment, effectué une descente de suivi des travaux dans la centrale hydroélectrique d’Andekaleka.

Apres l’incendie du 2 janvier 2022, la centrale d’Andekaleka a cessé de fonctionner. Des travaux ont été effectués pour remettre sur pied cette centrale hydroélectrique, la plus grande du pays.

Publié dans Fil info

Une délégation composée de Andry Ramaroson, Ministre de l’Energie et des Hydrocarbures, Rivo Radanielina, Directeur General par intérim de la JIRAMA et De sire Marcel Randrianarisoa, Directeur General adjoint chargé de l’Electricité ont, récemment, effectué une descente de suivi des travaux dans la centrale hydroélectrique d’Andekaleka.

Apres l’incendie du 2 janvier 2022, la centrale d’Andekaleka a cessé de fonctionner. Des travaux ont été effectués pour remettre sur pied cette centrale hydroélectrique, la plus grande du pays.

Publié dans Fil info

Fitaovam-piadiana 1 089 sy bala miisa 40 no nopotehina am-pahibemaso androany maraina teo amin'ny tokontany malalaky ny Lapan'ny Tanàna Analakely.

Ireo fitaovam-piadiana ireo dia azo tamin'ny fanentanana nataon'ireo tompon'andraikitra nandritra ny iray volan'ny famotsoran-keloka amin'ny fitazomana basy tsy ara-dalàna.

Nanotrona ny fotoana androany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly RAKOTONIRINA Richard, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Solotenan'ny Vondrona Afrikana, Ramatoa HAWA Ahmed Youssouf avy amin’ny Vondrona Afrikana, ary ny avy ao amin'ny Vondrona Eropeana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Rasoanaivo Rado : Voatendry ho Tale teknika nasionaly ny FMF.

 

Publié dans Sport

Mpanazatra nitondra ny Barea Madagasikara tany amin’ny CAN 2019 tany Ejipta i Nicolas Dupuis.

Nakisaky ny Federasiona malagasy ny baolina kitra teo amin'io toerana io izy ny aprily 2021, ka i Éric Rabesandratana no notendrena nandimby toerana azy.

Tsy tafita niatrika ny CAN 2021 tany Cameroun ny Barea.

Naverina amin’ny toeran'ny mpanazatra i Nicolas Dupuis.
Hiatrika lalao voalohany amin’ny fifanintsanam-bondrona ny Barea afaka iray volana, handrato lalao any Ghana iray vondrona E amintsika.

 

Publié dans Sport

Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny riandrano tany Andekaleka ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Andry Ramaroson, sy ny Tale jeneraly mpisolo toerana an’ny orinasa Jirama, Rivo Radanielina, ary ny Tale misahana ny herinaratra eo anivon’ny Jirama, Désiré Marcel Randrianarisoa ny faran’ny herinandro lasa teo.

Ny fanaraha-maso ny fizotry ny asa taorian’ny fahamaizana niseho tao an-toerana ny 2 janoary 2022, izay nampitsahatra tanteraka ny famatsiana herinaratra tao amin’ity toby ity no anton’izao fidinana ifotony izao.

« Nanome antoka ny mpanjifa sy ny vahoaka Malagasy isika fa tsy maintsy tafarina io fahasimbana io… nanome toky isika fa isaky ny 6 herinandro dia tokony mamerina gropy iray, ary averiko ihany fa tsy nisy gropy nandeha na iray aza tamin’izany fotoana izany. Amintsika miteny izao, efa misy gropy iray tafaverina mamatsy herinaratra miainga avy aty Andekaleka », hoy ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA, Rivo Radanielina.

Publié dans Vaovao

29 avril : Journée Internationale de la danse.

 

Publié dans Fil info

Ho faranana amin’ny alalan’ny fametrahana ny "piste d’athlétisme en tartan" ireo asa manodidina ny kianja filalaovana ao anatin’ny tetikasa fanavaozana sy fampanarahana fenitra ny kianja BAREA Mahamasina.

Asa efa nifanarahana tamin’ny orinasa mpanatanteraka izany, saingy tsy maintsy niandrasana ny fahataperan’ny fotoanan’ny orana sy ny fotoana nilaina ho fanamboarana sy fanafarana ny fitaovana. Tonga niaraka tamin’izay ihany koa ireo teknisiana manokana hametraka izany.

Nankatoavina nandritry ny filan-kevitry ny Minisitra ny 27 aprily teo ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tànana ny haban-tseranana mifanaraka amin’ireo entana ireo, toy izay efa nampiharina rehetra teo aloha mahakasika izany tetikasa izany.

Publié dans Sport

Nihaona tamin'ny Minisitra Edgard Razafindravahy ireo solontenan'ny mpamboly lavanila.

Ny mpamokatra no eny ifotony, akaiky ny tany, tompon’ny tany ambolena lavanila, ary izy ireo koa no mahay ny 100%-n'ny asa famokarana lavanila, hoy ny Ministra. Tsy mandeha ny firenena raha tsy eo ny mpamboly.

Tokony manendry solon-tena afaka hiaro azy sy hitondra ny teniny, ary tonga manatrika ny fivorian’ny komity isan-tsokajiny ny mpamokatra lavanila.

Tokony ny mpamboly ihany koa no mamaritra ny fotoana, ny toerana, ary ny zavatra resahana amin’ny fivorian’ny CNV na Filankevi-pirenen'ny lavanila.

Raha toa tafidina 20 000Ar ny kilaon’ny lavanila dia satria misy foana ny mivarotra amin’izany vidiny izany, na dia efa noferan’ny Fanjakana ho 75 000Ar aza izany. Ny mpanelanelana no mahazo tombony.

Publié dans Economie