Filtrer les éléments par date : jeudi, 28 avril 2022

Araka ny tatitra ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022, dia nitentina 650 milliards ariary ny vola nomena ny Jirama tamin'ny fitantanam-bola nentina niady tamin'ny Covid-19.

Ny anton'izany dia nahemotra ny fanefan'ny mpanjifa ny fakitira, ka nanetsenana ny banga ampitohy ny tolotra omen'ny Jirama.

Nonerana 198 milliards ariary kosa ireo mpamatsy solika.
Nomena 473 millions ariary ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo nisahana ny komity Loharano.

Nandaniana 21 milliards ariary teo ny famatsiana ny "Vary mora"
Nanofana ny fiaramanidin'i Kaompania Ethiopian Airlines ny 3 milliards ariary teo.

Ary nanomezana fanampiana ireo mpampianatra Fram ny 106 milliards ariary.

Tafandria mandry e.
Patrick

(Loharano : Tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022)

 

Publié dans Pilo kely

Vita ny talata 26 avrily 2022 tao amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy, ny fitsarana ireo mpampianatra roalahy voarohirohy tamin'ny fanimbana ny CEG manara-penitra ao Ambodiampana, fari-piadidiam-pampianarana Bealanana.

Sazy mihatra 10 taona an-tranomaizina no nomen'ny Fitsarana azy ireo.

Nanatrika ny fitsarana tamin'izany ny lehiben'ny sampan-draharaha misahana ny lalàna eo anivon'ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Sofia.

Raha tsiahivina dia nisy namotika ny fitaovana sy varavara-pitaratra ary ny tsatokan-tsainam-pirenena tao amin'ny CEG Manarapenitra ao Ambodiampana Bealanana ny alin'ny 16 aprily 2022.

Publié dans Vaovao

Escadrille Malagasy na ESCAMA no anarany tany ampiadohana. Fampitaovana avy amin’ny Tafika frantsay no isany niaingany tamin’izany.

Eny Arivonimamo no misy ny Tobin’ny Tafika Anabakabaka ankehitriny.
Nisy hetsika samihafa natao teny an-toerana androany nenti-manamarika izao faha-61 taonan’ny Tafika Anabakabaka izao.

 

Publié dans Tselatra

Ho an'ny finoana Silamo, dia ny 02 may 2022 izao no ankalazana ny fetin'Eid Al-Fitr, izay tafiditra ao anaty lisitry ny tetiandro-panjakana ho andro tsy hiasana nefa andraisan-karama.

Izany moa dia notanterahina araka ny daty notondroan'ny "Fikambanana Silamo Malagasy", izay nandraisan'ny Ministeran'ny Asa, ny fampananan'asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, izao fanapahana izao.

 

Publié dans Art et Culture

Hamboarina ny Lalam-pirenena faha-10, ary hatao tara. Anisany vaovao lehibe nambaran’ny filoha Andry Rajoelina io, raha tafaverina an-tanindrazana izy ny fiandohan’ny herinandro ity, ka nanao tatitra ny dian’ny delegasiona notarihiny tany Etazonia, nihaona tamin’ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena, izay niafara tamin’ny fanavan-tsonia fifanarahana famatsiam-bola hatrany amin’ny 534 tapitrisa dôlara amerikana.

Hoenti-manana ny fanamboarana io Lalam-pirenena faha-10 io ny famantsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ity. Nambaran’ny filoha Andry Rajoelina fa hanomboka amin’ity taona 2022 avy hatrany ny asa fanamboarana. Hanoratra tantara isika, hoy izy.

Velom-bolo ny mponina any Atsimon’ny Nosy manoloana izao tetikasa lehibe izao, ary mihevitra mihitsy aza fa ho vahaolana handresena ny Kere ny fahavitan’ity lalam-pirenena faha-10 ity.

Publié dans Politique

Nodimandry tamin'ny 09 aprily 2022, tany Norvège, ny Consul Général ny DANEMARK sady Pdg teo aloha ny La Ligne Scandinave SEAL, M. Odd-Gunnar Konow HEFFERMEHL, teo amin'ny faha 86 taonany, raha niasa sy nonina teto Madagasikara nadritra ny 42 taona.

Voatendry ho Consul n'i Danemark izy hiasa eto Madagasikara, ary neken'i Filoha Didier Ratsiraka ny fanendrena azy, notronin'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, Christian Remi Richard ny 05 febroary 1980.

Efa Consul ny Pays Scandinaves, Norvège, Suède sy Danemark izy an-taonany maro fa Consul Général an'i Danemark mbola am-perinasa izy zao namoy ny ainy izao. Izy izany no tranainy indrindra, tamin'ireo Consul niasa sy nonina teto Madagasikara.

Anio ny fandevenana azy any Norvège, tanàna niaviany, ary mifandrindra amin'izay ihany koa ny fotoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra, no fanaovam-beloma azy farany eto Madagasikara, ao amin'ny Fiangonana Loteranina Ambatovinaky anio alakamisy 28 aprily 2022 amin'ny 02ora tolakandro.

 

Publié dans Politique
jeudi, 28 avril 2022 07:49

RN6 : Avia 'zay mahasaky, zahay paré

Antsohihy - Ambanja

Lombolombon'ny lombo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra