Filtrer les éléments par date : mercredi, 27 avril 2022
mercredi, 27 avril 2022 19:36

No comment

RN2 Antananarivo - Toamasina

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Araka ny tatitra ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022, dia lasa fanao tamin'ny fitantanana ara-bolan'ny ady tamin'ny valanaretina Covid-19, ny fandoavana tamin'ny alalan'ny lelavola mivantana, espèce, fa tsy natao chèque na virement bancaire, izay takian'ny lalanan'ny fitantanam-bolampanjakana, araky ny andininy faha 6 amin'ny didim-panjakana 2004-319, mamaritra ireo fepetra fandoavam-bola ho an'ireo mpamatsy entana na servisy ho an'ny fanjakana.

Nahatratra 1.9 milliards ariary izany ho an'ny fakitira fandoavam-bola 56 monja.

- Ny TASK FORCE no nomena lelavola 541 400 000 ar ho ana Bon de décaissement 12 ;
- Telma nahazo 200 000 000ar, natao lelavola ;
- Restauration, amina fakitira 3, dia nomena lelavola 49 040 236,8ar
- La Sakaf' nandoavana lelavola 6 233 092.00ar ho ana fakitira tokana.

Tafandria mandry e.
Patrick

(Loharano : Tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022)

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Pilo kely

Naneho hevitra tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook i Tody Arnaud taorian’ny dia sy tatitra nataon’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina tany Etazonia, nihaona tamin’ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny Tale jeneralin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, narahina fanaovan-tsonia fifarahana famatsiam-bola.

Nandritra ny tatitra nataony ny filoha, dia nanambara ny hanamboarana ho tara ny lalam-pirenena faha-10 , nampanantena ny hampakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, nampiomana ny amin’ny ho fiakaran’ny vidin-tsolika…

Maro ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika sy ny olom-pirenena nanoloana izany, anisany i Tody Arnaud.

Publié dans Politique

Namela takaitra teto Toliara ny fandalovan'ny rivodoza JASMINE.

Maro ireo rava trano sy tafotrano noho ny rivotra mahery.

Araka ny tatitra vonjimaika avy ao amin'ny CPGRC dia olona 3 no maty, 6 naratra, maherin'ny 100 ny tafotrano simba sy ravan'ny rivodoza, ary olona miisa 152 no tsy manan-kialofana, ka napetraka ao amin'ny Kianja mitafo Tsenengea.

Niara-nisalahy ny tompon'andraikim-panjakana rehetra sy ny Kaominina Ambonivohitr'i Toliara amin'ny fanalana ireo hazo tapaka sy nianjera ary ny fikarakarana ireo traboina.

 

Publié dans Tselatra

Tantara mitohy ! Mpanolontsaina monisipaly miisa dimy indray no voaantso hatao fanadihadiana eny amin’ny Cybercriminalité Anosy anio.

Voafidy avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara teto Antananarivo Renivohitra avokoa izy ireo.

Mpanolontsainan'ny tanàna ihany no fantatra fa nitory azy ireo.

Omaly dia Mpanolontsaina roa vavy ihany koa no natao fanadihadiana teny anivon’ity sampana manenjika ny heloka anabaka ity.

Publié dans Politique

Efa nampilaza ny Rosianina fa izay tsy mandoa vidin'ny Gaz amin'ny vola rosianina, Rouble, dia tsy ahazo famatsiana Gaz avy aminy.

Tsy nihemotra arak'izany ny Gazprom, orinasa rosianina mpamokatra gaz, fa dia notapahany ny famatsiana ho an'i Pologne sy Bulgarie samy firenena ao anaty Vondrona Eoropeanina.

Pologne rahateo, mandray anjara mavitrika amin'ny fanomezana lalana ho an'ny Amerikanina ampiditra basy sy fitaovam-piadiana ho an'i Ukraine.

 

 

Publié dans Tselatra

Ny alatsinainy 25 aprily 2022 no nividianan'ny miliaridera, anisany sangany maneran-tany, ny serasera Twitter.

Ity mpandraharaha ity moa dia tompon'ny Tesla sy SpaceX manana sambon-danitra, izay ampiasain'ny NASA Amerikanina hampakatra ireo zana-bolana eny anabakabaka. Izy ihany koa no manao ilay tetikasa fitsangatsanganana eny ambony eny.

Ny telovolana faha efatra farany ny taona 2021, dia nidiram-patiantoka 181,7 milliards de dollars i Twitter, raha nanao vola maty, chiffre d'affaire 5,077 milliards de dollars. Na izany aza anefa dia 221 millions de dollars ny tombom-barotra ny taona 2021.

Manana mpiasa 4 600 i Twitter ny taona 2019.
Ary mitetina 30 milliards de dollars ny tombam-pananany, capitalisation, ny volana febroary 2020.

Publié dans Economie

Qui est François-Lévy Dawidson ?

François-Lévy Dawidson est un enseignant chercheur dans le domaine des mathématiques appliquées en sciences économiques et sociales.
Titulaire de diplôme de philosophie et de sciences de l'Éducation, il est professeur agrégé de mathématiques à Paris.

Il a vécu son enfance dans les quartiers difficiles de Tananarive et a habité dans les brousses lors des séjours de formations religieuses (jésuite). Originaire du Sud-Est et ayant des ancrages dans différentes régions de Madagascar.

Il est très sensible aux déséquilibres interrégionaux à Madagascar. Il s’est engagé ainsi à élaborer un modèle général décentralisé pour une réorganisation du système productif et du système monétaire et financier à Madagascar.

Publié dans Politique

Iza moa François-Lévy Dawidson

Izy dia mpampianatra mpikaroka amin’ny sehatry ny matematika sy ny fampiasana izany eo amin’ny ekonomia ary ny fahalalana ny fiaraha-monina.

Manana fahaizana mikasika ny filozofia sy ny fanabeazana ihany koa izy, ary mampianatra amin’ny toerana fanofanana tanora amin’ny sekoly lehibe ao Paris (Classe Préparatoire aux Grandes Ecoles).

Lehibe tany amin’ireo toerana tena sahirana eto Antananarivo izy, ary efa nonina naharitra tany ambanivohitra, nandritra ny fiofanana ho relijiozy (zézoita).

Avy any amin’ny faritra atsimo atsinanana izy, ary nitety faritra maro samihafa teto Madagasikara.

Isan’ireo zavatra tena manaitra manokana azy ny tsy fifandajan’ny fampandrosoana isam-paritra eto Madagasikara. Nitarika azy izany hikaroka mikasika ny endrim-pandrosoana ankapobeny miorina amin’ny fitsinjaram-pahefana (décentralisation des décisions). Izany dia modely fototra mitarika fandrindrana vaovao ny famokarana, ny vola ary ny finance eto Madagasikara.

Publié dans Editorial
mercredi, 27 avril 2022 09:16

Météo : Situation 27 avril 2022 à 09h00

Météo : Situation 27 avril 2022 à 09h00

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2