Filtrer les éléments par date : mardi, 26 avril 2022

Météo : Situation 26 avril 2022 à 22h

 

Publié dans Fil info

Nanao tatitra ny Fitsarana momba ny kaonty, Cour des Comptes, ny volana febroary 2022, mahakasika ny fitantanana ara-bolan'ny ady tamin'ny valanaretina Covid-19.

Tsy mila mandeha lavitra akory, fa vao mamaky ny fanoroham-pejy, dia efa mahita tsy fahatomombanana mihavosa tamin'ny fitantanana.

Aiza ny Bianco sy ny fitsarana miady amin'ny kolikoly PAC, izay manana fahefana mandeha tsy voizina, tsy miandry mpitory, na autosaisine, rehefa misy fofompofona kolikoly na fanodikodinam-bola fotsiny.

Publié dans Pilo kely

Ho tsinjaraina mivantana eny anivon'ny mpaninjara eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny siramamy Namakia avy eo amin'ny orinasa SPM.

Tsiahivina fa 2750Ar isaky ny kilao no hanjifan'ny mponina eny amin'ny mpaninjara an'ity siramamy Namakia ity.

Nijery izany siramamy izany teny amin'ny toeram-panatobian'ny SPM entana ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany.

Efa ho avy ihany koa hoy ny Minisitra ny siramamy Ambilobe hiarahan'ny ministeran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana miasa amin'ny SPM, hanamaivana ny fahasahiranan'ny mponina, sy hanomezana lanja ny vokatra avy eto an-toerana.

Publié dans Economie

Nifofofofo ny rivotra nentin'ilay rivodoza Jasmine taty Toliara ny tolakandro teo. Maro ny zavatra simba, nisy ihany koa ireo olona naratra.

Publié dans A la Une

Nanaitra ny maro ny teny nivoaka ny vavan'ny solontenam-panjakana ny alatsinainy 25 aprily 2022, nandritra ny fivoriana fanao isam-bolana an'ireo Ben’ny Tanàna ao anatin’ny Distrikan’i Betafo, Faritra Vakinankaratra, notarihin'ny lehiben'ny Distrika.

Voalaza nandritra izany fa azo atao ny manolo Sefo Fokontany, fa tsy maintsy ny depiote no tompon'ny teny farany amin'izay Sefo Fokontany hasolo eo, hanomanana ny fifidianana amin'ny 2023.

Nambara ampahibemaso nanoloana ireo mpivory fa toromarika avy any ambony izany.

Tsiahivina fa ny didim-panjakana laharana 2009/890 no mamaritra fa ny Fokonolona no mifidy ny Sefo Fokontany sy ny lefiny, ka izay be vato no lany. Ny Distrika no mamoaka didim-pitondrana manendry azy ireo, mba hanankery.

 

Publié dans Politique

Manana olona sahaza amin’ny fampandrosoana ny indostria ny firenentsika, ary tena ilain’ny Tanindrazantsika izany, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, raha nandray ireo Inspektera Indostrialy ny alatsinainy 25 aprily 2022.

Miisa 20 ny Inspektera indostrialy eo anivon’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MICC) ankehitriny. Vonona izy ireo hiasa sy hanatanteraka ny Taninketsa Indostrialy (ZPI).

Mandamina ny fitsipi-pifehezana ny sehatry ny indostria, sy manampy amin’ny fampiroboroboana ny indostria no asan’ny Inspektera indostrialy. Nanao fianianana ary voasokajy ho OPJ izy ireo.

Publié dans Economie
mardi, 26 avril 2022 08:59

No comment

No comment

 

Publié dans Tselatra

Nitondra fanazavana mahakasika ny tolo-dalàna momba ny fizakantenan’ny Oniversite sy ireo ivontoeram-pikarohana ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice ny alatsinainy 25 aprily 2022 tao amin'ny birao fiasany ao Fiadanana.

Ny Lalàmpanorenana andininy faha-95, I. teboka faha-14 dia mametraka ny tokony hananan’ny Oniversite sy ireo sampam-pikarohana fizakantena. Amin’ny alalan’ny texte réglementaire no hametrahana azy.

Fanarahana izany no nahatonga ireo sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra nanatontosa izany tolo-dalàna izany.

Nanatontonsa ny fakana ny tsoa-kevitra tamin’ireo lehiben’ny sampam-pampianarana, ireo filohan’ny Oniversite rehetra manerana an'i Madagasikara sy ireo sampam-pikarohana misy eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

Publié dans Politique

26 avril : Journée Mondiale de la propriété intellectuelle.

 

Publié dans Fil info

Nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa miantraika amin’ny isan-tokantrano amin’izao fotoana izao ny fiakaran'ny vidim-piainana vokatry ny ady ao Ukraine, ka nanapa-kevitra, araka izany, ny hampiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, mba hifandanja amin’ny vidim-piainana ny fahefa-mividin'ny isan-tokantrano.

Nilaza moa izy fa hampiantso ny vondron’ny sehatra tsy miankina ihany koa, mba hijery miaraka ny vahaolana mba hisitraka izany fiakaran'ny karama izany koa ireo mpiasa amin'ny orinasa tsy miankina amin'ny fanjakana.

Tsy nilaza moa izy ny tahan'ny fiakarana, sy manomboka oviana ny fampiakarana izany karaman'ny mpiasam-panjakana izany.

 

Publié dans Tselatra