Météo : Situation 25 avril 2022 à 17h
Météo : Situation 25 avril 2022 à 17h
(Photo Sat24)
25 avril : Journée Mondiale du paludisme
25 avril : Journée Mondiale du paludisme.
25 avril : Journée Mondiale pour la sauvegarde du lien parental
25 avril : Journée Mondiale pour la sauvegarde du lien parental.
25 avril : Journée Mondiale des Manchots
25 avril : Journée Mondiale des Manchots.
Fanadihadiana momba ny fournisseur d'internet : Nanjavona ilay komisionina eo anivon'ny Antenimieram-pirenena
Nitalakotroka ny serasera nataon'ireo Solombavam-bahoaka fa mitaraina loatra momba ny internet ny mpanjifa.
Lafo mihompampana ny tolotra. Ao ny mitaraina fa misy halatra, satria lany tampoka eo ny credit, misy ireo miadam-pandeha ny tolotra omena.
Anisan'ny itarainan'ny maro ity fanambadiana tsy azo sarahina ity, fa mila mampandre 3 volana mialohan'ny daty nampidirana azy, date d'anniversaire, raha tsy izany dia eny ihany mandritra ny 1 taona. Asa mba lalàna inona loatra no mifehy izany, fa rehefa ampiditra internet ianao, tsy aseho anao izany ho soniavinao, fa rehefa te hiala ianao vao lazaina daholo ity vola mihompampana tsy maintsy aloanao.
Tsy vitan'izany, fa mbola ianao no miantoka ny lany rehetra amin'ny fampidirana azy, ankoatra ireo fitaovana tsy maintsy vidiana mialoha, izay lazaina fa azy indray avy eo, ka averina aminy rehefa hisaraka.