Filtrer les éléments par date : dimanche, 24 avril 2022
dimanche, 24 avril 2022 22:12

Météo : Situation 24 avril 2022 à 20h45

Situation qui va impacter les 3 prochains jours.

 

Publié dans Fil info
dimanche, 24 avril 2022 19:48

France : Emmanuel Macron élu Président

Emmanuel Macron 58.2%

Marine Le Pen 41.8%

Participation 71.8%

Publié dans Fil info

Niditra fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena frantsay ny filoha am-perinasa Emmanuel Macron, sy Marine Le Pen.

Vita tamin'ny hariva teo, androany alahady 24 aprily 2022 ny fifidianana.
Andrasana amin'ny 8ora alina, ora any Frantsa, 9ora alina aty Madagasikara, ny vokam-pifidianana ahafantarana izay hitondra indray mandritra ny dimy taona i Frantsa.

63.23% ny tahan'ny fandraisana anjara tamin'ny 5ora hariva teo, ora any Frantsa. Nihena 2% tamin'ny fifidianana ny taona 2017.

 

Publié dans Politique

Nanomboka ny taona 1984, no nisokatra ho an'ny Orinasa tsy miankina ny bizina fonja tany Amerika.

I texas no nanomboka azy, ka ny fitsarana no an'ny fanjakana, fa misy tolobidy kosa ataon'ny fanjakana ho an'ireo Orinasa te hanokatra fonja, ka dia izy no misahana ny fihazonana ireo gadra, fampiasana azy ireo, ny fandriam-pahalemana, ny fanajana ny lalàna sy ny zon'olombelona.

Omen'ny fanjakana vola io orinasa io, toy ny hoe manofa ny toerana. Tsy mandoa hetra ny Orinasa amin'ny Etat sasany.

2 300 000 ny taona 2012, ary nidina 1 800 000 ny taona 2020 ny isan'ireo voafonja any Etats-Unis, ary matetika ny fanjakana federaly no tena mampiasa ireo fonja tantanan'ny Orinasa tsy miankina.

Publié dans Editorial

An-dalana mihazo an'Ambovombe ny milina mpihary herinaratra vaovao, manana tanjaka 320 KW, izay hanamafy ny famokarana herinaratra any an-toerana.


Anio Alahady 24 aprily 2022 no vinavinaina ho tonga any Ambovombe io milina io, noho ny fahasarotan'ny lalana.

Hitombo arak'izany ny vokatra herinaratra, ary hihafoana ny fahatapahan-jiro any an-toerana, satria voafaritra ho 475 KW ny filàna mandritra ny ora be mpampiasa (heure de pointe), ary maherin'ny 150 KW ny vokatra amin'izao fotoana izao.

Anisan'ny nanaovan'i Solombavambahoaka voafidy tany Ambovombe, no Kestiora voalohany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, Jean Michel HENRI, antso tamin'ireo tompon'andraikitra, moa izao tranga izao.

 

 

Publié dans Vaovao

Ny herinandro 16-22 aprily 2022, dia 31 ireo voamarina mbola mitondra ny otrikaretina Covid-19, tamin'ireo 3523 notiliana.

30 no hita tao Analamanga, ary 1 kosa ny faritra Atsinanana.

58 no mbola tsaboina izao, ary 17 no manana fahasarotana, formes graves.

Tsy nisy kosa ny namoy ny ainy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra