Filtrer les éléments par date : samedi, 23 avril 2022

Spring Meetings 2022, Washington DC

International Monetary Fund
World Bank Group

Mmm masaka be.

Avy eo mihatrika ny fihaonana
Réunion des V20, Washington DC, 21 Avril 2022

Mampatsiaro ny G20 zato izy, fivorian'ny Firenena 20 matanjaka indrindra maneran-tany..

Jerena amin'izay ny fanalavana ny V20 = VULNERABLE 20.

Koay, hay misy fikambanan'ny 20 gistra maneran-tany.

Tsy mba mety andeha any aho hoe, hizesta hoe zahay mpikambana ao anaty V20, mandehana foana nareo hi werawera amin'ny Spring Meetings 2022, aleo zahay amboly vary ahasalama anay.

Dia gaga ve ianao raha any amin'ny efitrano fandraisam-bahiny no andraisany anao anatin'ny 5min, dia maka sary, dia tsy ampandrosoany any amin'ny foiben-toerany akory?

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

(Somary tekinika sy lavalava ny fanazavana)

Ny trondro dia mila ôksizenina, toy ny olombelona sy ny biby maro.
Ny azy tsy mifoka rivotra ety ivelany, fa ny ôksizenina ao anaty rano no miditra amin'ny sagoaga (esasa na koa trioka, branchie, ilay menamena akaiky ny tendany iny, misokatra sy mihidy mampiditra rano), izay taovam-pisefoana hita amin'ny biby miaina an-drano.

Izy io dia ahafahan'ireo biby ireo maka ny ôksizenina amin'ny rano amoahana diôksida karbônika.

Na, atao lehibe ny dobo misy ny trondro, dia azony ho azy anaty rano ny ôksizenina, na asiana motera kely mamokatra ôksizenina, na ahodina ilay rano miandrona misy azy, toy ny Aquarium na dobo kely.

Publié dans Editorial

Tena miteraka fantiantoka lehibe sy fahasahiranan'ny mponina aty an-toerana ny fahatampahan-jiro lavareny. Maro ny fitaovana simba vokatr'izany, mikatso ny fihariana, tapaka ihany koa ny famatsiana rano izay sahanan'i AES noho io olan'ny herinaratra tapaka lavareny io, ka mitarika ny fahasimban'ireo milina (mpaompy) manaparitaka ny rano, ka ny vahoaka no hianjadian'ny fahoriana sy fahasahiranana, hoy ny Solombava-bahoaka, sady Kestora voalohany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, Jean Michel HENRI.


Nisy ny dinika izay nataon'ny ministera tompon'andraikitra amin'ny famahana ny olana momba ny JIRAMA sy ny fahatapahan'ny herinaratra tamin'ny faritra sasantsasany, fa tsy voakasika sy tsy voateny ny tao i Ambovombe ANDROY.

Publié dans Politique

Dia ho sanatria matimaty foana ve i Père Supérieur Jiva Lucien, tao amin’ny Noviciat des Frères Mineurs Capucins teo Ambendrana Antsohihy.

Dimy taona aty aorian’ny nanafihan’ny jiolahy mitam-basy ity toerana ity mantsy dia tsy nisy tohiny ny raharaha. Tsy hita izay tompon’antoka tamin’ity heloka bevava ity.

Raha tsiahivina dia fanoherana ireo jiolahy nanafika ny Noviciat des Frères Mineurs Capucins ny alahady 23 Aprily 2017, tokony ho tamin’ny iray ora maraina, no namoizan’ny Père Supérieur Jiva Lucien ny ainy, ary koa namparatra mafy an’i Frera Jeremy.

Raha nandre ny kiririoka notsofin’ny Mompera Firoz, nahita ny fanimbana vavahady sy ny amboletran’ireo olon-dratsy, i Frera Jeremy dia nivoaka voalohany ary nifanehatra totohondry tamin’ny roa lahy mpanafika.

Publié dans Vaovao

Nampahafantatra ireo sekoly ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, na CUA, fa dia mandoa vola 15 000 Ariary isam-bolana amin’ny Kaominina ireo bus scolaire manomboka izao, ary misy ny fepetra tsy maintsy arahina ho an’izay misehatra amin’izany fitaterana mpianatra izany.

Hiditra amin’ny telo volana fahatelo sady farany ny taom-pianarana 2021-2022 no mipoitra ity fepetra ity. Etsy ankilany somary mametra-panontaniana ihany ny maro hoe : hiitatra hatraiza ity fifanarahan’ny samy tsy miankina itangosan’ny Kaominina vola ity, ireo mpitatitra rahateo efa mandoa vola amin'ny hetra sy haba alaina aminy isan-taona ?

 

Publié dans Tselatra