Fampianarana ambony : Iza no te hamotika azy ?
Fony nianatra teny amin'ny Politekinika Vontovorona ny tena, taona 1984-1989, dia manana fiara mpitatitra manokana ireo Mpampianatra, lavitra sy mitoka-monina rahateo ny toerana.
Tsy nisy mpiasa na mpianatra nahazo nitaingina izany fiara mpitatitra Mpampianatra izany.
Nanana toerana hisoloany akanjo sy hakany aina, toerana manokana no hisakafoanany.
Tsy hoe manava-tena na manambony tena akory, fa nomena ny toerany sy ny hasiny manokana ireo Mpampianatra mpanabe, indrindra eny amin'ny anjeri-manontolo, izay manofana ireo olona hitondra sy hitantana ny Orinasa sy ny Firenena.
Toerana hisian'ny fahalalaham-pijery sy tsy refesin'ny fetra ankoatran'ny lalàna sy ny maha olona (éthique) ny oniversite. Azo resahina eny avokoa ireo fiainam-piarahamonina na ara-tsosialy, na ara-toekarena, na ara-politika, na ara-tekinika sy siantifika.