Kila raha intérim
Fitondrana intérim lava, asa na tsy manana olona, sa tsy manana olona mahay, izay tsy mampino, sa tsy atokisana ireo nanohana azy rehetra ?
Tanfandria mandry
Patrick
Ampanefena : Miakatra ny rano ary miditra an-trano noho ny orana
Mikija ny orana, tsy tapaka nanomboka omaly alarobia 20 Aprily 2022.
Hatramin'ny lalana mampitohy Sambava-Vohemar aza tapaka (RN5A).
(Jereo Sary Tohiny)
Marc Ravalomanana : Mamondrona ireo olony
Tazana manodidina ny filohan’ny Repoblika teo aloha, sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara, ireo lehibena andrimpanjakana teo aloha, minisitra sy olomboafidy teo aloha, rehefa tsy hita an-taonany maro.
Noraketin’izy ireo an-tsary moa izao fivondronana vaovao izao.
Famokarana siramamy : Hiroso amin’ny andrana teknika ny orinasa any Antanamifafy Mahajanga II
Hiroso amin’ny andrana teknika ny milina fanodinana fary ho siramamy, any Antanamifafy Ambalakida, Distrika Mahajanga II, Faritra Boeny.
Teknisiana indiana avy amin’ny orinasa Apollo no nafaran’ny Minisitera misahana Fampiroboroboana ny Indostria (MICC), hiandraikitra ny famitana ny fametrahana ny ozinina sy ny fanaovana ny andrana teknika.
Notarihin’ny Talem-paritra DRICC Boeny sy ny Tale Jeneralin’ny Foibe misahana ny Fary sy Siramamy na CMCS moa ireto Indiana ireto omaly Alarobia 20 Aprily 2022 nijery ny milina ao Antanamifafy, sy ny fambolena fary manodidina.
21 aprily : 4 taona androany ny hetsiky ny 73 depiote
Mitsingerina androany ny taona faha-4 nitaoman'ireo depiote 73 vahoaka teny amin'ny Kianjan'ny 13 may, nanoherana ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina.
Nitarika tamin'ny nanendrena an'i Ntsay Christian ho praiminisitra lehiben'ny governemanta, andraikitra mbola tazominy mandraka ankehitriny.
Efa-taona aty aoriana, samy manontany tena ny rehetra ny vokatr'izany.
21 avril : Journée Mondiale des adjoint(e)s administratifs (-ves) et secrétaires
21 avril : Journée Mondiale des adjoint(e)s administratifs (-ves) et secrétaires.
21 avril : Journée mondiale de la créativité et de l’innovation
21 avril : Journée mondiale de la créativité et de l’innovation.