Filtrer les éléments par date : mercredi, 20 avril 2022

Voalaza foana manko fa tao Washington DC no nihaona ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filohan'ny Banky iraisam-pirenena ary ny tale Jeneralin'ny FMI.

Malalaka be manko izany Washington izany.

Sarotiny dia sarotiny amin'ireo tsy vita vakisiny Covid-19 manko ry zareo Amerikanina, ka manidy varavarana mihitsy ho an'ireo tsy vita vakisiny.
Hatreto ny Filoha nilaza fa tsy nanao vakisiny ary tsy hanao vakisiny Covid-19.

Ka mampametraka fanontaniana ihany hoe taiza izany no nihaona. Mety tsy dia misy dikany ny toerana nandraisana, na taiza io na taiza, na fotoana fohy ihany aza ny fihaonana.

Rehefa mijery ny tatitra ao amin'ny tranonkalan'ny Banky iraisam-pirenena dia manindry mafy ny fanaovam-bakisiny, izay antoka ampandrosoana ny fizahan-tany, ny Filohan'ny Banky iraisam-pirenena, manamafy, fa mila mangarahara ny fitantanana, ny ady amin'ny kolikoly, ny fialana amin'ny fifanarahana ara-barotra amin'ireo mpamokatra herinaratra izay midangana ka manavesatra ny fandaniana amin'ny teti-bola.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Mitohy ny daroka baomba ataon'i Rosia an'i Ukraine, 56 andro lasa izay.

Ao Marioupol, atsinanan'i Ukraine, ny Rosianina amin'izao.
Tafakatra 5 tapitrisa ireo Okrenianina mitsao-ponenana ankehitriny raha ny fanambaràn'ny Firenena mikambana.

Miandry fatratra ny fampanantenan'ny Amerikanina sy ny Eoropeanina famatsiana fitaovam-piadiana moa i Ukraine rehefa tsy hirotsaka anampy ara-tafika ihany ireto mpampirisika amin'ny ady.

Publié dans Vaovao

Nampita vaovao avy any Washington ny filoha Andry Rajoelina, amin'ny fitokisan'ny Mpiara-miombona antoka akaiky ny USAID, izay efa niara-niasa hatrany tamin'i Madagasikara, ary mihamafy izany fiarahana izany ankehitriny, rehefa avy nihaona tamin’i Samantha Power, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny USAID, tao Washington DC, izay nanaovana jery todika momba ireo fiaraha-miasa sy ireo dingana hiarahana manaraka.

Vonona arak'izany ny USAID ny hanome fanampiana famatsiam-bola :

* 13,9 tapitrisa dolara hanatanterahana ny tetikasa eo amin’ny lafiny tontolo iainana
* 11,2 tapitrisa dolara hanatsarana ny fahafaha-miatriky ny mponina

Publié dans Politique

20 avril : Journée internationale de la langue chinoise.

 

Publié dans Fil info