Filtrer les éléments par date : samedi, 02 avril 2022

Manoloana ny fanagejana ny vola vahiny Rosianina any amin'ny banky eoropeanina sy banky amerikanina, dia nanome valikafatra ny Filoha rosianina Vladmir Poutine, ka tsy maintsy vidiana amin'ny vola rosianina, Rouble, ny Gaz any Rosia.

Ny volan'ny firenena Rosianina sy ireo mpanam-bola Eopsianina Euro sy Dollar, hoy ny filoha Poutine, dia gejainareo, mantsy ny Eoropeanina sy Amerikanina, ka mitovy amin'ny tsy nandoa ny vidin'ny Gaz nafaranareo izany, ka raha mila Gaz ianareo, hoy hatrany izy, dia aloanareo amin'ny vola rosianina Rouble izany ny vidin'ny Gaz, ka izay tsy mandoa vola dia heverina toy ny nanapaka ny fifanarahana, ka tsy ahazo famatsiana Gaz.

Tsy miova hoy izy ny vidiny, sy ny pitsopitson'ny fifanarahana rehetra teo aloha, afatsy ny hoe tsy maintsy Rouble no andoavana azy, satria ny Eoropeanina sy Amerikanina no te hangeja ireo vola vahiny ireo any aminy.

Publié dans Politique

Nisy nanao piratage ny puce sy compte Airtel ny Tale kabinetra ny Faritra Androy. Rehefa natao ny fanadihadiana sy fikarohana hatrany amin'ny Foibe ny Airtel dia hita ary tratra ireo olona 5 voarohirohy ho tompon'antoka amin'izao raharaha izao.

Natolotra ny Fampanoavana ireo olona rehetra ireo, nefa nahazo fahafahana vonjimaika noho ny fiarovana sy tsindry ataon'ny olomboafidy iray.

Amin'izao fotoana izao anefa dia ilay olona nahazoana porofo sy loharanom-baovao indray no samborina sy hatolotra ny Fampanoavana ka araka ny feo mandeha dia ho gadraina ity loharanom-baovao ity. Ny antony angamba dia mba tsy hahafahany hitondra ireo porofo rehetra amin'ny fitsarana izay hatao amin'ny alatsinainy faha 4 avril izao.

Tsy ekena hoy ireo olobe any an-toerana ny hanaovana tsindry sy fitanilana toy izao.

 

Publié dans Vaovao