Filtrer les éléments par date : mardi, 19 avril 2022

Matetika dia samy fianakaviana ihany no miloka manao ramy, na manao loto. Andeha atao hoe fialam-boly, fa rehefa zohina, dia tsy misy famokarana na fampitomboana harikan-karena na ny kely aza, satria dia ny vola ao ampaosin'ny iray ihany no mifindra tanana mandeha amin'ny iray hafa, dia mifandimby banky, na very vola tanteraka eo.

Dia io very vola io mitrosa amin'ilay nahazo ny volany indray, mety misy zanany kely aloany amboniny, fa ny eo ihany no miodikodina eo.

Mila tsakitsaky sy zava-pisotro kely mandritra ny loka na lalao, nefa dia fianakaviana eo ihany no manao ilay tsaky, dia mihodina eo ihany ny vola, tsy nisy tombony mivaingana ho an'ilay fianakaviana, fa nifandimby nandray vola sy banky fotsiny ny tsirairay.

Toy izany ny toe-karena eto amintsika, tsy misy mamokatra firy, fa ny atsasaky ny olona mpivarotra, ny atsasany mpividy, samy mihaona eny an-tsena, tsy misy mamokatra, fa ny eo ihany no miodikodina samy isika eo.

Publié dans Pilo kely

Nanao fanambaràna ny Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny pejy Twitter ny fa voalohany tamin'ny tantaran'ny Bretton Woods, ny fihaonana nahafapo teo aminy sy ny filohan'ny Banky iraisam-pirenena, David Malpass, ary ny Tale Jeneralin'ny FMI, Kristalina Georgieva tao Washington DC.

Nomem-boninahitra, hoy hatrany izy, i Madagasikara amin'ny fanohanana sy fiaran-dalana amin'ny Banky iraisam-pirenena sy ny FMI amin'ny fampandrosoana sy ny vina ataony.

Publié dans Economie

Efa nihena dia nihena ireo tranga vaovao, 32, ary tsy nahitana famindrana mivantana, nefa kosa ny atsasak'ireo voa dia ahitana fahasarotana avokoa, 16, raha latsak'izay ireo sitrana, 15, iray kosa no namoy ny ainy, ny herinandro lasa izay 09 -15 aprily 2022.

Analamanga hatrany hatreto no mbola ahitana tranga be indrindra 27, raha 2 ny any Matsiatra ambony, ary 1 avy, any Itasy, Melaky, ary Vakinankaratra.

 (Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
mardi, 19 avril 2022 08:33

19 avril : Journée Mondiale du cirque

19 avril : Journée Mondiale du cirque.

 

Publié dans Fil info
mardi, 19 avril 2022 08:12

BM- FMI : Madagasikara pays pilote

Hiaona amin'ny Filohan'ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tale jeneralin'ny FMI ny Filoha Andry Rajoelina tsy ho ela.

Voalaza moa fa hanolotra ireo tetik'asa ampandrosoana an'i Madagasikara no anton'ny fihaonana, taorian'ny krizy nateraky ny Covid-19 sy hiatrehana ny krizy vokatry ny ady any Ukraine.

Ao anatin'izany ny filazan'ny Vondron'ny Firenena mikambana ny anampiana, ary anaovana an'i Madagasikara ho "Pays Pilote" eo amin'ireo Firenena tena marefo sy ny vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro.

Inona tokoa moa izany hoe "Pays pilote" ?

Publié dans Editorial