Ministeran'ny Fampianarana ambony : Hidina ifotony
Ministeran'ny Fampianarana ambony : Hidina ifotony anampy ireo Oniversite amin'ny fampidirana ireo mpianatra tsy tafiditra tamin'ny fanomezana vatsimpianarana
Andraikitra fenon'ireo Oniversite ny fanavaozana sy fampidirana ireo mpianatra tokony hisitraka vatsimpianarana. Nisy anefa ireo mpianatra tsy tafiditra tamin'izany lisitra izany ka nasiana fanampiny.
Hiazo ireo Oniversite maromaro mihitsy ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa, hanome tanana sy hanara-maso eny ifotony, ny fandaminana ireo Base de donnée, hisitrahan'ny mpianatra rehetra manan-jo amin'izany vatsimpianarana izany.
Hanainga rahampitso talata 19 aprily 2022 ireo ekipa hiazo an'i Mahajanga, Toamasina, Soavinandriana, toy ny natao tetsy Ankatso anafainganana izany.
Ny ministeran'ny fampianarana ambony moa no miandraikitra ny fanomezana toromarika amin'ny famoaham-bola, fa ny ministeran'ny vola no mandoa ny vola any amin'ny PAOMA, izay mitsinjara izany indray amin'ny karatry ny mpianatra, na ny e-poketra.
Zaridaina botanika Ambohijatovo : Natao omeko tsy omeko
Niveri-maina ireo andiana mpitsangatsangana nikasa ny hiditra ao amin’ny zaridaina Ambohijatovo, lasa Parc botanique d'Ambohijatovo ankehitriny.
Mihidy ny vavahady, ary soratra fotsy amin’ny takelaka efamira no mivandravandra ao anatiny tazan’ny maro milaza fa « Tsy mivoha ny zaridaina ny Alatsinainy. Misaotra tompoko ».
Tsy vitsy ireo fianakaviana misafidy io toerana ireo rehefa fotoana toy izao, mba hamalifaliana ny zanany sy hakana sary fahatsiarovana, saingy tsy tanteraka izany androany hany ka diso fanantenana izy ireo ankoatra ireo mimenomenona sy manome tsiny.
Nosokafana ho azon'ny mpitsangatsangana nidirana ihany indray moa ny toerana nony tolaka ny andro noho ny firodorodoan'ny olona.
(Jereo Sary Tohiny)
Volamena 7kg tratra tany Anjajavy : Nahazo baiko haterina ao amin’ny Banky Foibe
Sarona, ny 8 aprily 2022, tao Anjajavy, Kaominina ambanivohitra Antonibe, Distrika Analalava, Faritra Sofia ny bolongam-bolamena miisa efatra, tombanana ho 7kg eo ny lanjany.
Telo lahy no nitondra azy, ary saika ahondrana an-tsokosoko no sarona.
Tonga tamin’ny moto tao Anjajavy izy telo lahy ireo mba hanofa lakana fa misy entana aterina amin'ny sambolay efa miantsona eny afovoan-dranomasina.
Nanaiky ny olona fa hitondra lakana. Mbola teo ampiomankomanana anefa dia nosavain'ny Fokonolona ilay entana, ka izay no nahatratra azy telo lahy. Fanindroany mantsy, tamin’ity taona ity no nahatongavan'io sambolay io tao, ka nahamailo ny Fokonolona, ary nanosika azy ireo hisava ny entana.
Fidangan’ny PPN : Manana ny hoaviny ny lafarinina mangahazo
Miantraika any ambilany ny takaitran’ny valanaretina Covid-19. Nanampy trotraka indray koa ny ady any Okraina, izay hananika ny faharoa volana izao. Midangana ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro, na PPN toy ny vary, lafarinina, siramamy, menaka, eny hatramin’ny solika, ny entona fandrehitra.
Manerantany no mizaka ny vokatr’izany, ary voakasik’izany i Madagasikara.
Niezaka ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana nikaroka vahaolana hanalefahana ny fiantraikan’io fiakaram-bidin’ny PPN io. Ny famerana ny vidy ambony tsy azo ihoarana no mihatra ankehitriny, taorian’ny fiaraha-midinika tamin’ireo mpanafatra entana sy mpamongady ary ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa.
Hotazomina mandritra ny telo volana eo io fepetra fameram-bidy io, aorian’izay fe-potoana izay no handraisana fepetra vaovao indray.
Faritra SAVA : Iray volana tsy manana Goverinora
Banga efa iray volana izao ny toeran'ny Goverinoran'ny Faritra SAVA, taorian'ny nanendrena ny tompon-toerana, Tokely Justin, ho minisitry ny Ati-tany, ao amin’ny governemanta Ntsay Christian ny 16 martsa 2022 lasa teo.
18 avril : Journée internationale des monuments et des sites
18 avril : Journée internationale des monuments et des sites.
18 avril: Journée mondiale des radio amateurs
18 avril: Journée mondiale des radio amateurs.