Filtrer les éléments par date : samedi, 16 avril 2022
samedi, 16 avril 2022 15:05

16 avril : Journée mondiale de la voix

16 avril : Journée mondiale de la voix.

 

Publié dans Fil info

16 avril : Journée Mondiale contre l'esclavage des enfants.

 

Publié dans Fil info

Manomboka miakatra ny menaka vokarin’ny kaoperativan’ny tantsaha ao Ambatofinandrahana. Nahita maso ny voaloham-bokatra tao an-toerana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, sady solombavam-bahoaka voafidy tao Ambatofinandrahana, Razanamahasoa Christine.

Tafiditra anatin’ny fanatanterahana ny Taniketsa Indostrialy ity orinasa kely mamokatra menaka ity, hanodinana ny vokatra miakatra ao an-toerana, sady hanosehana ny famokarana.

Faritra be voanjo rahateo iny ilany atsimo andrefan’ny Faritra Amoron’i Mania iny.

Mahatratra 500 taonina isan-kerinandro ny vokatra voanjo mivoaka ao amin’ny Kaominina Mandrosonoro sy Amborompotsy rehefa volana May, Jona, Jolay ary Aogositra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Noho ny fanamboaran-dalana miakatra an'Ambohipo, Boriborintany faha 2, Antananarivo Renivohitra, dia notapahana ny lalana fiakarana Andohanimandroseza, ka nasiana lalana mivily, déviation, mihazo ny lalana Kotavy (route d'Ambassade), nefa tsy nisy fijerena na ny kely akory izay lalana izay, fa hantsana efa ho 5m no miandry raha diso kely ny mpamily, nefa ao anaty lavaka efa mandifotra fiara 60cm ny alalany, izay misy rano mandeha tsy mijanona.

Nisy arak'izany ny fiara efa latsaka ilany tanaty lavaka, misy ireo mikasoka, indrindra ireo fiara madinika, ary voatery mandeha mafy ao anaty lavaka raha tsy te ho tavela ao.

Misy injeniera mandinika ireny lalana mivily ireny ve alohan'ny anapahana sy anamboarana ilay lalana tiana hitondrana fanatsarana, sa amboarina aloha ilay lalana mivily vao manapa-dalana.

Mirary soa e.
Patrick 

 

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra