Filtrer les éléments par date : vendredi, 15 avril 2022

Tafantsona androany 15 Aprily 2022 ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo JACOB H izay faha-14 amin’ireo sambo 20 nambaran’ny Filoham-pirenena fa hitondra PPN hamatsiana ny Malagasy, indrindra amin'ireo ireo faritra izay tsy mpamokatra vary manerana ny Nosy.

Mitondra Vary Tsinjo 22 000 t io Sambo io, ary efa nihantsona tao amorontsirak’i Toamasina ny 31 martsa lasa teo. Ny haratsian’ny toetr’andro no miteraka fitohanan’ireo sambo na dia efa miezaka mafy aza ny mpandraharaha mpampidina entana SMMC.

Ho tonga androany ao amorontsirak’i Toamasina koa ny sambo KIRAN CASPIAN, ity sambo ity no faha-15 izay mitondra Vary Tsinjo 10 000 t.

 

Publié dans Economie

Sambo tsy fanta-pototra misy fitaovana fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna na drague à godets no nakatona taorian'ny fidinana ifotony notontosain'ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Vatovavy-Fitovinany sy ny Zandarimariam-pirenena Antsenavolo ny Talata 12 Aprily 2022.

Fitoriana avy amin’ny mpandraharaha tompona fahazoan-dalana ao amin'ny Fokontany Sahasondroka, Kaominina Ambohimiarina, Distrikan'i Mananjary noho ny fisiana drague mandalo eo amin’ny fari-pitrandrahany.

Teratany Sinoa 3, miampy Malagasy 5, no hita tao anaty drague nandritra ny fidinana ifotony. Marihina fa ny iray amin'ireo teratany Sinoa dia efa voarohirohy tamin'ny raharaha "drague" tsy ara-dalàna tao Anosimparihy.

Raha ny loharanom-baovao ihany dia "drague" efa nakatona tao amin'ny Kaominina Marokarima no nampiasain'izy ireo indray ka izao tratra izao. Nisy araka izany ny fandikan-dalàna "bris de scellé" nataon’izy ireo.

Publié dans Vaovao

Tonga nitsidika ny toerana hametrahana ny biraon’ny Komity mpikarakara ny Lalaon’ny Nosy (COJI), tetsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, androany zoma faha-15 aprily ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena TINOKA Roberto, niaraka tamin’ny filohan’ny Komity Olimpika Malagasy Siteny RANDRIANASOLONIAIKO.

Ao amin’ny Kianja Barea no hanatanterahana ny lanonam-panokafana sy famaranana ny Lalaon’ny Nosy 2023.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Noho ny fanamboarana ny lalana miakatra avy eo Andohanimandroseza, hatreny amin'ny 3 chemins Ambohipo, dia tapaka nanomboka ny alarobia 13 aprily ka hatramin'ny alarobia 27 aprily 2022, ny lalana miakatra an'Ambohipo, Boriborintany faha 2, Antananarivo Renivotra.

Misy fivilian-dalana ho an'ireo avy any Ambanidia-Ambatoroka hihazo an'Ambohipo, tonga eo Andohanimandroseza, ambody fiakarana, dia mihazo miankavanana (Lalàna Kotavy, route d'Ambassade) toy ny ho any Ambohipo Tanàna, dia miakatra Ampahateza mihazo an'Ambohipo.

Ireo avy any Ambolikandrina Ambohipo kosa, dia manohy miakatra an'Ambohipo Cité, dia midina Ampahateza, ary mihazo ny lalana ho any Ambohipo Tanàna, ka mivoaka any amin'ny route d'Ambassade, mivoaka Andohanimandroseza.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

12 883 ireo mpifidy voasoratra anarana teto Madagasikara, tamin’ny fifidianana filoham-pirenena frantsay fihodinana voalohany notanterahina ny alahady 10 aprily 2022.

4 726 (36,7%) tamin’ireo no naneho ny safidiny, tonga nandatsa-bato, ka 49 vato fotsy, 26 nanao vato maty, ary 4 651 no vato nanankery.

Niisa 12 ireo kandida, ka ny kandida sady filoha amperinasa Emmanuel Macron no nahazo ny 1948 (41,9%) ny vato nanankery. Ny azy no vato be indrindra.

Faharoa nanaraka azy tamin’ny isam-bato azo i Jean-Luc Mélenchon, nahazo 1080 (23,2%).

Teo amin’ny laharana fahatelo kosa i Eric Zemmour nahazo 561 (12,1%).

 

Publié dans Politique

Raim-pianakaviana iray, 45 taona no novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ny 9 aprily teo, tao amin'ny Fokontany Antserasera, Kaominina Mahavanona, Distrikan'Antsiranana II.

Nokapaina, notapahina tanteraka ny lohan'ity rangahy ity.
Disadisam-pianakaviana sy fanendrikendrehana ilay rangahy ho mpamosavy no voalaza fa namonoan'ireo tsy mataho-tody azy, izay tsy iza fa ireo havany akaiky ihany, ary Ray aman-dReny ao amin'ilay fianakaviana, no nanome tso-drano sy naniraka mihitsy, ary nankasitraka ny famonoana.

Saron'ny Zandrarimariam-pirenena izay nidina nanao fanadihadiana tany an-toerana ireo 3 lahy nandray anjara mivantana tamin'ny famonoana, sy ilay lehilahy lehibe namporisika.

Publié dans Vaovao

Nalefa nody, ary efa eo anivon’ny fianakaviany ny harivan'ny alakamisy 14 aprily 2022 ihany i Clémence Raharinirina, mpanolontsaina ny Tanànan'Antananarivo, sady filohan’ny Fikambanan'ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra (FTAR). Nahazo fahafahana vonjimaika izy mialoha ny fitsarana amin’ny 3 mey 2022.

Publié dans Politique
vendredi, 15 avril 2022 09:22

15 avril : Journée Mondiale de l'Art

15 avril : Journée Mondiale de l'Art.

 

Publié dans Fil info