Filtrer les éléments par date : mercredi, 13 avril 2022

Mpandeha miisa 319, nentin'ny fiaramanidina an'ny kaompania Neos, no tonga teto amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Fascene Nosy Be androany.

Mpizahatany avy any Italia izy ireo.

Ity sidina Neos no sidina voalohany tonga tao Nosy Be taorian’ny fihibohana noho ny valanaretina Covid-19.

Tamin’ny ankapobeny dia voahaja ireo lamina sy fepetra izay napetraka teo amin’ny seranam-piaramanidina nandritra ny fandraisana sy fitsenana ireto vahiny ireto, na tsy dia tratra zato isan-jato aza ny tanjona tiana ho tratrarina hoy Joël Randriamandranto, Minisitry ny Fizahantany, izay tonga tany an-toerana niaraka amin’ny minisitry ny fitaterana Rolland Ranjatoelina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nampafantatra tao amin'ny pejiny Facebook ny mpanolontsain'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra, Clémence Raharinirina fa nandefasan'ny zandary fiantsoana mba ho avy ao amin'ny Sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana rahampitso Alakamisy 14 aprily maraina, mba haseho eny amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy.

Milaza ho tsy mahalala ny mpitory sy ny anton'ny fitoriana ny tenany raha nanontaniana. Nanamafy i Clémence Raharinirina fa ho avy amin'ny fiantsoana azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Lasa fifandirana be ny resaka taxi-moto eto Antananarivo Renivohitra ankehitriny, ao ny miaro mafy ny fihariany, ny Taxi-ville, ao kosa no efa manao asa fitaterana antsokosoko hitan'ny be sy ny maro ny Taxi-moto.

Raha ny fanapahana teo anivon'ny Filan-kevitry ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, dia tsy nekena ny anomezana alalana ny asa fihariana Taxi-moto.

Voalaza matetika amin'ny fanoherana ity asa fihariana ity ny resaka fandriampahalemana, maro tokoa manko no misandoka ho Taxi-moto, ka entiny amin'ny toeran-kafa ilay mpandeha ary voahendaka any mihitsy.

Ao koa ny mametraka olana amin'ny loza fifamoivoizana aterany, satria dia betsaka ireo moto no tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fa dia misisika etsy sy eroa, ka miteraka loza mihitsy, na ho an'ny mpandeha entiny, na ireo fiara mifamezivezy, na ireo mpandeha an-tongotra.

Publié dans Editorial
mercredi, 13 avril 2022 10:53

13 avril : Journée mondiale du scrabble

13 avril : Journée mondiale du scrabble

 

Publié dans Fil info