Filtrer les éléments par date : mardi, 12 avril 2022

Miverina indray ny fakana an-keriny amin'iny Distrika Tsaratanana iny raha efa mba nangingina teo aloha teo.

Nitrangana fakana an-keriny tao amin'ny tanàna atao hoe : Tanambao, ao amin'ny Fokontany Ambohidronono, Kaominina Ambakireny, Distrika Tsaratanana ny 1 aprily 2022.
Roa lahy, zanak'olona iray tao an-toerana no nalaina an-keriny.

Dahalo mirongo fiadiana no nanafika tao an-tanàna, tokony ho tamin'ny 08ora alian hoy ny mponina tao.
Roapolo any ho any hoy ny mpanaradia, mpikambana ao amin'ny Dinan'i Betsiboka Miray tsy miverina, ny isan'ireo dahalo mpaka an-keriny, ary manana basy mahery vaika ny ankamaroany.

Publié dans Vaovao

Nidina tampoka teny an-tsena ny minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy androany talata 12 aprily 2022.

Mahamasina, Anosibe ary Tanjombato ny toerana nalehany, ary hita tamin'izany fa voahaja ny fepetra famerana ny vidin'entana farany ambony. Navoaka tsy satry ireo entam-barotra nangonina tsy namidy.

"Misaotra anareo fa mahafinaritra ny mahita hoe mifanampy isika mba hitsinjovana ireo mpanjifa". Tenin'ny minisitra Edgard Razafindravahy izany androany maraina, nanoloana ny mpivarotra sy ny avy amin'ireo fikambanan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa.

Tsikaritra fa efa mipetraka avokoa ireo famerana ny vidin'entana ireo eny amin'ny mpivarotra sy mpamongady na teny Mahamasina izany, na teny Anosibe na teny Tanjombato.

Publié dans Economie

12 avril : Journée des enfants des rues.

 

Publié dans Fil info

Nilaza ny praiminisitra hongrois, Victor Orban, fa mila fitsaharana avy hatrany ny ady izay miseho any Ukraine, ka vonona izy ireo andray ny fihaonana an-tampony eo amin'ny Ukraine, Rosia, Alemanina ary Frantsa.

Nanisy fepetra kosa ny Rosianina amin'izany soso-kevitra fihaonana izany.

Vonona etsy an-kilany ny fitondrana Hongrois, ny andoa ny vidin'ny Gaz amin'ny vola rosianina Rouble, raha toa ka ireo firenena maro ao Eoropa dia nilaza ny tsy anaiky izany fepetra apetraky ny Rosianina izany.

Publié dans Editorial