Filtrer les éléments par date : lundi, 11 avril 2022

Mihenjana ny tady eo amin’ny Tale Jeneralin’ny Ofisy Nasionaly momba ny tontolo iainana na ONE sy tompon'andraikitra vitsy andaniny, ary mpiasa ankilany, noho ny raharaha fampidirana mpiasa tao amin'ity Ofisy ity.

Araka ny loharanom-baovao dia olona hafa ny nahazo naoty ambony sy vitan'ny komity misahana ny fandraisana mpiasa fanadihadiana na "entretien", nefa olona hafa no nampidirina niasa.

Tonga teny amin’ny Bianco ny raharaha. Nanokatra fanadihadiana ny teny Ambohibao, ary natolotra ny PAC (Pôle anti corruption) ny dosie.

Voarohirohy tamin'izany ny Tale Jeneraly sy ny misahana ny mpiasa. Ary niakatra fampanovana teo anivon'ny PAC ny alakamisy 7 aprily lasa teo.
Nahazo fahafahana vonjimaika ireo voarohirohy.

Publié dans Vaovao

Mijajirika milahatra manomboka maraina hatramin'ny hariva, tsy misy seza hipetrahana. Mijaly ireo beantitra mpandray vola fisotroan-dronono Fandriana, Faritra Amoron’i Mania, ka manaitra ny tompon'andraikitra mba hijery vahaolana mikasika izany, ho fitsinjovana ny mahaolona.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tontosa omaly alahady 10 aprily tetsy amin’ny PK0 Soarano – Antananarivo ny fihaonam-ben’ny Fikambanan'ny Teraky ny Faritany Antsiranana (FITEFA).

Nandritra izany no nanavaozana ny birao mpitantana ny fikambanam-paritra ity. Voafidy fanindroany hitondra ny fikambanana i Johnfrince Bekasy mandritra ny 05 taona ho avy io.

Ny 01 Mai ho avy io ny FITEFA hagnano hetsika sady Assemblée Générale ankalaza ny tsingerin-taonan'ny filoha mpanorina Zafy Albert ao amin'ny Saint Michel Antananarivo, sady fihaonambe mahazatra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

11 Avril : Journée Mondiale de la maladie de Parkinson.

 

Publié dans Fil info