Météo : Nivoaka an-dranomasina Batsirai
Nivoaka an-dranomasina tamin’ny 07 ora hariva teo, tao amin’ny 25 Km Avaratr’i Toliara I ilay rivodoza BATSIRAI. Manodidina ny 55 Km/ora hatrany ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 60 Km/ora. Mikisaka miakandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 28 Km/ora.
Ankoatra ny rotsakorana mety mbola somary hanatombo dia tsy misy atahorana firy intsony ny mety ho fiantraikany.
Tsy misy fiovana ny filazana loza.
Andry Rajoelina : Miantso ny Malagasy rehetra haneho firaisam-po amin’ireo mpiray tanindrazana traboina
"Miantso ny Malagasy rehetra aho haneho firaisam-po sy firaisan-tsaina amin’ireo mpiray Tanindrazana amintsika any amin’ireo Faritra tena voa mafy" hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Miombom-po tanteraka aminareo traboina analiny maro vokatr’izany manerana ny Nosy ny tenako, hoy izy.
Hifarimbona isika hanampiana ireo havantsika traboina, ary hiaraka hanarina indray.
(Jereo Sary Tohiny)
Nosy Varika : Namela takaitra lehibe ilay rivodoza Batsirai
Ampahan-tsary naneho ny takaitra navelan'ilay rivodoza Batsirai.
Miantso fifanampiana ny Vahoaka ao an-toerana hiatrehana ny fanarenana.
(Jereo Sary Tohiny)
Matsiatra Ambony : Tsy mianatra telo andro ny mpianatra rehetra
Nanao fampilazana ny Goverinoran'ny faritra Matsiatra Ambony Razafindrafito Lova Paupil io tolakandro io fa tsy mbola mianatra ny mpianatra rehetra ao anatin’ny telo andro ho avy.
MEN : Miverina mianatra avokoa ny mpianatra miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana ny alatsinainy 7 febroary
Manamafy ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-Pirenena fa miverina mianatra avokoa ny mpianatra miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana ny alatsinainy faha 7 febroary 2022, ankoatra ireo mbola ao anatin'ny faritra miloko mena, ireo faritra ahitana tondra-drano sy ahitana tany mety hihotsaka sy trano na sekoly mety ho rava, ary koa misy ireo sekoly mandray traboina.
Ankinina amin'ny fanapahan-kevitra miainga eny anivon'ny sekoly, ny sefo ZAP, ny lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana ary ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena miaraka amin'ny manam-pahefana any an-toerana ny fijerena ny fisokafana na ny fikatonan'ny sekoly tsirairay.
Ampatsiahivina hatrany ny fitandremana ara-pahasalamana manoloana ny valan'aretina COVID-19.
Amoron'i Mania : Amin'ny alatsinainy heriny vao miverina an-tsekoky ny mpianatra
Faritra isany nitondra takaitra tamin’ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai i Amoron'i Mania.
Betsaka ny fotodrafitrasa simba.
Raha ny tarehimarika vonjimaika dia CSBII 1, Epp 10, lycée 2 ary fiangonana 4 no simba.
429 no traboina
Tetezana iray ao amin'ny fokontany Avaratanàna CR Ihadilagnana no lasan'ny rano.
Fitaterana : Miverina amin'ny ampahany ho an'ny zotra rezionaly sy nasionaly
Namoaka filazana ny Ministeran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro, androany 06 febroary 2022, fa miverina amin'ny ampahany ny asam-pitaterana ho an'ny zotra rezionaly sy nasionaly amin'ireto Faritra manaraka ireto : Analamanga, Betsiboka, Boeny, Sofia, DIANA, SAVA, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Itasy ary Bongolava.
Afaka mandeha ihany koa ny zotra rezionaly ho an'ny Distrika Antsalova sy Miandrivazo ary Belo Tsiribihina.
Nanipika mazava ny ministera mpiahy, fa tsy mbola misy mahazo manatanteraka ny asam-pitaterana ireo mpitrandraka mandeha amin'ny zotra mampitohy amin'ny faritra miloko manga.
(Jereo Sary Tohiny)
LEMAK’ANTANANARIVO : Tsy misy fampitandremana milaza tondra-drano
Tsy misy fampitandremana milaza tondra-drano eto amin’ny lemak’Antananarivo raha araka ny avy amin'ny APIPA androany Alahady 06 Febroary 2022 maraina.
Saika nahitana fidinana ny haavon'ireo renirano manodidina.
Reniranon’i Sisaony:
- 0,88m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Andramasina. Niakatra - 0,11m ny rano tao anatin’ny 24ora, nefa hidina mandritra ny 12ora manaraka.
- 0,25m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika. Tsy niakatra tsy nidina ny rano tao anatin’ny 24ora nefa hidina mandritra ny 12ora manaraka.
- 2,50m ny refy filazana loza manambana (mavo) eo Ampitatafika.
Analamanga : Miverina mianatra ny mpianatra rehetra
Miverina mianatra ny mpianatra rehetra amin'ny an-kapobeny ho an'Analamanga ny alatsinainy 07 febroary 2022, araka ny fampitam-baovao nataon'ny Governora Analamanga.
Nanamarika ity farany, fa misy ireo toerana sasany izay ny Chef CISCO sy ny DREN no manome ny fandaminana hafa raha misy ny fiovana.