Filtrer les éléments par date : samedi, 05 février 2022
samedi, 05 février 2022 23:10

Météo :

Tamin’ny 09 ora alina teo dia tao amin’ny Distrikan’i MANANJARY i BATSIRAI. 165 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 230 Km/h. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana hatrany izy ka mahafaka 20 Km/ora.


Hamakivaky ny afovoan-tany izy anio alina sy rahampitso maraina ka vinavinaina hivoaka an-dranomasina any amin’ny lakandranon’i Mozambika, any amin’ny tapany Avaratry ny faritra ATSIMO ANDREFANA ny Alahady 06 Febroary 2022 tolakandro.

Miova ho toy izao ny filazana loza :

Publié dans Tselatra

38 km atsinanana somary avaratra atsinanan'i Mananjary no misy ny foiben'ilay rivodoza Batsirai. 165 Km/ora ny rivotra entiny, izay arahina tafiotra 235 Km/h. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 19 Km/ora.

Efa tena manakaiky tanteraka ny morontsiraka izy. Misy ampahany amin'ny ivony efa mahakasika ny morontsiraka, fa ny tena ivony dia mbola any an-dranomasina.

Vinavinaina hiditra an-tanety ao amin'ny tapany avaratry ny distrikan'i Mananjary, afaka atsasakadiny na adiny iray latsaka eo ny ivon'i Batsiray.

Mbola voatazona avokoa ny filazana loza ho an'ireo faritra sy distrika nahavoaray izany.

(Loharano Météo Madagasikara)

 

Publié dans Tselatra

Raha nanodidina ny 50 hatrany ireo nodimandry isan-kerinandro ny volana janoary 2022, dia nihena ho 33 kosa izy ity herinandro voalohan'ny volana febroary ity.

Analamanaga hatrany no mitana ny lohalaharana amin'ireo mitondra ny otrik'aretina, izay mahatratra 1303, manaraka azy eo DIANA 146, Sofia 135, Anosy 107 ary Vakinankaratra 87.
Analanjorofo irery no tsy nahitana tranga voamarina misy Covid-19.

2115 ireo marary manerana ny nosy, ka 114 no ahitana fahasarotana (Formes graves). 1105 kosa ireo sitrana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Météo : Situation samedi 05 février 2022 à 18h30

(Photo Sat24)

 

Publié dans Fil info
samedi, 05 février 2022 18:07

SPM : Mamatsy Vary Tsinjo ny Tsena MORA

Tetikasan’ny Filoham-pirenena eo ambany fihahian’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Tsena MORA, mivarotra amin’ny Vidiny tena Mirary ireo entana (Vary, menaka, siramamy, savony…) ilain’ny vahoaka amin’ny fiainana andavan’andro.

Eny amin’ireo tsenam-pokontany efa voafaritra no hivarotana azy, ary misokatra in-2 isan-kerinandro ireo toerana-pivarotana.

Araka ny toromarika nomen’ny Filoha dia 1000 Ariary ny kilaon’ny Vary MORA eny amin’ny Tsena MORA ary voafetra ho 5 kilao isaky ny tokantrano no azo vidiana. Mitondra karam-pokontany rehefa mividy.

Ny State Procurement of Madagascar na SPM dia mamatsy vary ny Tsena MORA, toy ny famatsiany vary ireo Distributeurs rehetra manerana ny Nosy.

Publié dans Sociale

Mitombo ho 190 T izao ny Vary Tsinjo ho tsinjaraina any Mananara Avaratra notanterina tamin’ity herinandro voalohan’ny volana Febroary ity, taorian'ny nampakarana 90 T fanampiny ao anaty sambo YALAN.

Hamidy any an-tsena amin’ny vidiny ara-drariny 600 Ariary ny kapoaka ireo vary ireo.

Ny sampandraraha-mparitra misahana ny varotra sy ny fanjifàna (DRICC Analanjirofo) dia manara-maso ny fampiharana izany eny amin’ireo mpaninjara.

Ny vary izay amidy 1000 Ariary ny kilao amin’ireo Tsena MORA kosa dia eny amin’ny toerana natokana ho azy ireo eny anivon’ny Fokontany no ahitana izany. In-droa isankerin’andro no anaovany izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Rivodoza Batsirai : Akony an-tsary mialoha ny fidirany an-tanety

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tonga nitondra fanampiana ho an'ireo mpiara-miasa ao amin'ny Sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetr’andro eny Ampasapito ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro TINOKA Roberto, ny zoma 04 febroary 2022.

Nandritra izany no nanolorany fanampiana sy vatsy, toy ny vata fampangatsiahana, multi cuiseur ( ahafahana mahandro sakafo), milina fanaovana kafe, famanàna rano (bouilloire), vary, ronono, menaka, lamba firakotra, akanjo fiaro orana, fandriana, ....

Izany dia entina itsinjovana ny maha olona sy hanampiana ireo mpiasa izay miasa andro aman’alina amin’ny fanomezana vaovao ara-potoana momba ny famantarana ny toetr’andro, indrindra amin’ny fotoanan’ny rivodoza tahaka izao.

Publié dans Vaovao

143 km Atsinanana somary avaratra-atsinanan'i Mananjary, na 119 km atsinanan'i NOSY VARIKA no nisy ny foiben'ilay rivodoza Batsirai. Izany hoe efa mia manakaiky tanteraka ny morontsiraka izy.

Ny tangorondrahona mialoha an'ny ivony dia efa mipaka amin'ny morontsirak'i Nosy Varika sy Mananjary.

Mbola 165 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 235 Km/h.
Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 17 Km/ora.

Mbola voatazona avokoa ny filazana loza ho an'ireo faritra sy distrika nahavoaray izany.

(Loharano Météo Madagasikara)

 

Publié dans Tselatra

Mahajanga : Mibalika ihany ny masoandro 15h30, ny atody no niakatra 1000ar satria Batsirai izany navy

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2