Filtrer les éléments par date : dimanche, 27 février 2022

Mihamafana ny daroka ataon'i Rosianina an'i Ukraine, ankehitriny. Akoatran'ireo daroka baomba anabakabaka ireo, dia niditra antsehatra ireo miaramila rosianina an-tanety, ary dia niroso amin'ny fakana ireo renoviha-paritra maro ao Ukraine, ary mifehy ny sehatra stratejika, toa ny famokarana herinaratra, ny fifandraisan-davitra, ireo seranam-piaramanidina.

Nisy Malagasy, milaza manambady Okrenianina anefa, nanao antso amin'ny Filoham-pirenena malagasy fa misy mpiray tanindrazana namoy ny ainy any Ukraine, nefa tsy misy fandraisana andraikitra ataon'i Madagasikara.

Milaza hatrany ity Malagasy avy any Sofia ity, fa ny lalàna Okrenianina dia manery ny vatan-dehilahy manambady Okrenianina fa tsy maintsy mirotsaka amin'ny fandraisana anjara amin'ny ady.

Nanambara moa izy : "Tsy nanenina aho nandray anjara tamin'ny Ady (Russie-Ukraine). Nahavita ny adidiko amin'ny maha Olombelona ahy sy ho any HAFA (Zanako, Fianakaviako, sns...)
Iriko ny hanomezan'Andriamanitra ahy tombon'andro lavalava iainako mba hanohizako ny tolona (Ady amin'ny KOLIKOLY, RAMATAHORA, TSY FANDRIAM-PAHALEMANA) ho an'ny Faritra Sofia, Madagasikara".

Publié dans Pilo kely

Raha 589 ny isan'ireo voamarina fa nitondra ny otrikaretina Covid-19 ny herinandro lasa teo, dia 226 no nahitana izany tranga izany ny 19-25 febroary 2022.

Nahatratra 815 ireo sitrana, 42 kosa ireo marary misy fahasarotana, formes graves, ary 16 no namoy ny ainy, tamin'ireo 7 671 vita fitiliana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
dimanche, 27 février 2022 14:38

Ukraine : Raikitra ny ady hifanatrehana

Mitohy ny daroka baomba ataon'ny Rosianina amin'ireo toerana stratezika rehetra any Ukraine.

Niditra amin'ireo tanàna lehibe any Ukraine ireo tafika antanetin'i Rosia, mifanandrana mivantana amin'ny tafika Ukraine.

Manaiky ny fihaonana amin'ny Rosia ny Filoha Ukrenianina, sainga tsy manaiky ny toerana any Biélorussie amin'ny toerana ihaonana.

Ny Eoropéanina kosa dia mangeja ny resa-bola n'ny Rosianina maneran-tany.

 

Publié dans Politique