Ambatolampikely : Mitritra ny tetezana eo amin'ny lalam-pirenena faha-2
Afaka kely Ambohimalaza, raha avy aty Antananarivo hiazo an'i Toamasina, dia misy tetezana eo Ambatolampikely, izay efa manomboka mitritra ny fototra mihazona azy.
Kamiao amin'ny taonina maro isan'andro no mandalo eo, ary anisan'ny lalana be mpampiasa indrindra ny lalam-pirenena faharoa, izay mampitohy an'Antananarivo sy ireo faritany hafa, amin'ny seranan-tsambo vaventy any Toamasina.
Tsy misy mihitsy anefa ny fanamboarana, ny atevin'ny tara (goudron) amin'ny làlana zara raha misy 3cm sisa, ny lavadavaka tsy resahina intsony.
Fa nankaiza ny vola azo amin'ny hetra-tsolika na ny Fonds routiers, nahoana no tery ny lalana, aiza ilay lalana mikodana nampanantenaina, na ilay mampitohy ny Port amin'ny lalam-pirenena faha 2 aza toa tsy hita ny tohiny.