Lasa organisme rattaché amin'olom-bitsy ny sehatr'asa harena ankibon'ny tany
Pilo kely : Lasa organisme rattaché amin'olom-bitsy ny sehatr'asa harena ankibon'ny tany.
Ny maro an'isa mitrandraka mamono tena, ny ngeza miandry fotsiny, izy irery no afaka manondrana any ivelany, ny sasany mihonona mijery ny lanitra manga.
Matoria foana e.
Patrick
(Tahirin-tsary Fatihita fitrandrahana volamena)
Météo : Situation 22 février 2022 à 20h00
Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana : Mirehitra jiro ny lalana Ambohipo – Ankatso
Lalana isany be mpampiasa ny lalana Ambohipo - Ankatso iny ao amin’ny Boriborintany faha-II. Manararaotra anefa ny olon-dratsy noho ny haratsian’ny lalana sy ny tsy fisian’ny jiro manazava rehefa maizina ny andro.
Nametaka jiro teny amin’ny faritry ny Oniversiten'Antananarivo ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Sabotsy 19 febroary 2022. Jiro 15 isa no napetaka teny an-toerana manazava ny tanàna mba hisian'ny fandriampahalemana.
Fitaterana : Fepetra manoloana ny fandalovan'ny rivodoza EMNATI
Manoloana ny fandalovan'ny rivodoza EMNATI dia nandray fepetra ny ministeran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro ho fandaminana ny fifamoivoizana.
(Jereo Sary Tohiny)
Fifamalian’ny depiote Andry Ratsivahiny sy Prof EPS Njara
Fifamalian’ny depiote Andry Ratsivahiny sy Prof EPS Njara : Niala tamin’ny fahanginany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Dr Sahondrarimalala Marie Michelle
Amiko dia tsy ato amin’ny facebook no handaminana ny olana mahakasika ny tokantrano, ny fiaraha-monina, ny Firenena, ny finoana.
Nisafidy ihany aho ny hiteny eto amin’ny facebook mahakasika ny fifamaliana teo amin’ny mpampianatra sy raim-pianakaviana iray, trangan-javatra izay hiainan’ny kilonga sy ny ray aman-dreny ary ny mpampianatra andavanandro.
Tsy anjarako ny manome lesona momba ny fitondrantena, ny fitaizana satria samy tompon'andraikitra amin’ny teny, fihetsika ataony isika lehibe.