Seranan-tsambo Toamasina : Tonga ny simenitra Lucky 9 000 taonina
Tonga eto Toamasina ny Sambo ANANI mitondra ny simenitra Lucky milanja 9 000 taonina.
Ity no sambo lehibe faha-12 tonga, izay mitondra ireo simenitra ilain'ny vahoaka amin'ny andavan'androny, indrindra amin'ny asa fanarenana taorian’ny fandalovan'ny rivodoza BATSIRAI.
26 500Ar vidiny tena ara-drariny izany simenitra izany ho an’ny mpaninjara miainga eto Toamasina.
Mitohy hatrany etsy ankilan’izay ny fanaparitahan’ny SPM SA – State Procurement of Madagascar ny "Vary tsinjo” sy ny simenitra manerana ny Nosy.
(Jereo sary Tohiny)
Situation 20 février 2022 à 20h
Jirama : Miady amin’ny tsy fandriampahalemana
Nahazahoan'ny mpitandro filaminana fitarainana matetika ny teny amin'ny sampanana Digy, hiazo an’Ambohitrimanjaka (Arts Malagasy), fa misy andian'olona mitondra « bois rond » manakan-dalana sy mandroba, ka lasibatra amin'izany ny fiara sy ny moto rehefa iny manomboka maizina iny ny andro.
Naharay ny tatitra avy amin'ny tompon'andraikitry ny filaminana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Andry Heriniaina Ramaroson, koa tsy niandry ela ny tenany fa tonga dia naniraka ny avy ao amin'ny Jirama mba hametraka andrin-jiro sy jiro Cobra, mba ho entina hisorohana ny tsy fandriampahalemana eny amin'ity toerana izay anjakan'ny asan-jiolahy ity.
(Jereo Sary Tohiny)
Fitsaboana ny Covid-19 : Nanolotra fatram-panafody miisa 4 800 ny USAID
Nanolotra fatram-panafody miisa 4 800 itsaboana ny tranga Covid-19 mahery vaika ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), amin’ny anaran’ny vahoaka amerikana.
Ireo fanafody ireo izay mitentina 144 000 000 Ariary (na 36 000 dolara amerikana) dia ampiasaina isorohana sy itsaboana ny fivainganan-drà (thrombose) mety hanakana ny fikorianan'ny rà ara-dalàna, fahita mahazatra rehefa sendra tranga Covid-19 mahery vaika.
Ity no andiany farany amin’ny fanomezana nataon’ny USAID izay tafiditra amin’ny ezaka fanamafisana ny fahafahan’i Madagasikara miatrika ny Covid-19 sy mitsabo ny mararin’izany aretina izany.
Antenimierandoholona : Handray ny toerana maha Senatera azy i Fiandraza
Araka ny fanapahana laharana 01-HCC/AR ny 1 febroary 2022 noraisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, noho ny fahabagan-toerana ao amin’ny Antenimierandoholona, taorian’ny nahafatesan’i Eongobelo Jean Marcel, ny 16 janoary 2022 dia i Fiandraza no handray ny toerana maha Senatera azy ao Anosikely, hisolo toerana ilay Senatera maty, izay voafidy tamin’ny lisitra ISIKA REHETRA MIARAKA AMIN’I ANDRY RAJOELINA.
Efa lehiben’ny Faritra Androy tamin’ny tetezamita i Fiandraza.
20 février : Journée mondiale de la justice sociale
20 février : Journée mondiale de la justice sociale.