Filtrer les éléments par date : mercredi, 02 février 2022

Raha niainga tamin'ny 4490.70 MGA ny Euro androany maraina alarobia 02 febroary 2022, teo amin'ny tsenam-bola, dia mila 4519.49MGA kosa vao mahazo 1 Euro io hariva fikatonan'ny tsena io.

Mitohy mitotongana hatrany izany ny sandam-bola malagasy miohatra amin'ny vola vahiny Euro sy Dollar.

(Sary Boursorama.com)

 

Publié dans Economie
mercredi, 02 février 2022 17:34

CAN 2021 : Lalao manasa-dalana

Ho tontosaina anio amin'ny 10ora alina, ora eto Madagasikara, ny lalao manasa-dalana ho an'ny CAN 2021.

Hifanandrina amin'izany i Burkina Faso sy Sénégal.

Atao rahampitso alakamisy 3 febroary kosa, amin'ny 10ora alina, ora eto Madagasikara, ny fifanitsanana manasa-dalana eo amin'i Cameroun tompon-tanàna, sy Egypte.

 

Publié dans Sport

Ankalazaina isaky ny 2 febroary ny andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra andrian-drano (zones humides).

Herintaona katroka toy izao dia tonga namboly zozoro (Cyperus madagascariensis) tany amoron’ny farihin’Alaotra ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy Raharinirina Baomiavotse Vahinala.

Tonga niaraka taminy teo ihany koa tamin’izay ireo mpanimba zetra any an-toerana.
Zanak’iny faritra iny ihany izy ireo, saingy tsy mahatsapa ny maha-zavadehibe ny fisian’ny alan-jetra noho ny fitiavan-karena.

Noho ny famotehana zetra dia nampidirina am-ponja vonjimaika ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka sy ny olona miisa sivy hafa, araka ny taterin’ny fampahalalam-baovao samihafa.

Publié dans Politique

Niakatra Fampanoavana tany amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Fenoarivo Atsinanana omaly talata 1 febroary ny raharaha lakana Francia III.

Notanana am-ponja vonjimaika any an-toerana vokatr’izany ny olona miisa 13.

Ny vesatra iampangana azy ireo dia firaisana tsikombakomba, ary fanararaotam-pahefana ho an’ny sasany.
Mpiasan’ny Kaominina ambanivohitr’Antanambe, Mananara Avaratra ny telo.
Mpiasan’ny APMF ny efatra.
Avy amin’ny kaoperativam-pitaterana ny roa.

Publié dans Vaovao

Mitohy hatrany ny ezaka sy ny fanaraha-maso ny famokarana herinaratra ao Andekaleka, izay ao anatin'ny fanarenana taorian'ny fahamaizana nitranga tao an-toerana ny 2 janoary 2022.

Efa tafakatra 22MW izany hatry ny omaly maraina.
Mbola arahi-maso akaiky ny fiodin’ny milina rehetra mba ho feno tanteraka ny fepetra rehetra sy hanomezana antoka amin’ny hatsaran’ny vokatra azo sy hahatrarana ny tanjona dia ny famokarana ilay 30MW.

 

 

Publié dans Tselatra