Filtrer les éléments par date : jeudi, 17 février 2022

"Noho izao voina mahazo ny Malagasy izao dia vonona izahay ny hifanome tànana amin'ny fanarenana ireo sekoly simba, mba hiverenan'ireo Zaza Malagasy eto Mananjary an-tsekoly, satria ny fianarana no lova tsara indrindra" hoy ny lehiben'ny "Sapeurs-Sauveteurs" raha nitafa tamin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr Sahondrarimalala Marie Michelle.

Miisa 30 ireo mpamonjy voina avy any Frantsa na "Sapeurs- Sauveteurs" izay iraka avy amin'ny Filoham-pirenena Frantsay, ary vonona ny hifanome tànana amin'ny fanarenana, ka tao amin'ny CEG Mananjary, ny lisea Justin Manambelona, ary ny EPP Plateau de la Milice ny toerana nosahanin'izy ireo.

Miara-misalahy amin'ny Tafika Malagasy sy ireo mpanao asa an-tselika na "HIMO' izy ireo amin'izany.

 

Publié dans Vaovao