Inona ity ady an-trano tsy mety vita ity e
Ny olona tena anatin'ny fahasahiranana tanteraka, miakatra daholo ny vidin'entana, ny asa tsy misy, ny vola tsy hita, ny trosa mihavosa, ny fianaran'ny mpianatra tsy hita izay anaovana azy, nefa ny mpitondra ilaozana miady an-trano, mifanome taim-bava eraky ny tambazotra sosialy, tsy misy bedy, samy manao izay tiany.
Etsy an-kilany ny harem-pirenena, ny volam-bahoaka miridina ny olom-bitsy no mitavana azy. Ny sisin-tany mikatona, tsy hay oviana no isokatra, ny volamena giazan'olom-bitsy, ireo mpisehatra an-tapitrisany mangaina fotsiny.
Ampy izay e.
Tafandria mandry.
Patrick
Anosibe an'ala : Tonga ny Vary Tsinjo na dia tapaka aza ny lalana
Tapaka ireo tetezana 2 lehibe amin'ny lalam-pirenena mampitohy an’Anosibe an’Ala sy Moramanga vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai.
Nanao ezaka manokana anefa ny SPM SA - State Procurement of Madagascar amatsy Vary Tsinjo any Anosibe an'Ala, Faritra Alaotra Mangoro.
Niara-nientana tamin'ny Ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna ny teo anivon'ny Zandarimaria nasionaly, izay nampindrana fiara vaventy tsy mataho-dalana, ny fokonolona, sy ireo mpibata entana nanao fampitana ny vary, na ny transbordement.
Ho fifampitsinjovana, hoy ny tale jeneralin'i SPM, Soloniaina Andriamanampisoa, ary araka ny baiko nomen'ny Filoham-pirenena, dia amidy amin'ny vidiny mirary 1000 Ariary ny kilao amin'ny Vary Tsinjo izay tetik’asan’ny Filoha eo anivon'ny Tsena MORA.
(Jereo Sary Tohiny)
Météo :
- Any amin’ny 524 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Ste Marie no nisy ny foiben’i DUMAKO. 75 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 100 Km/ora.
- Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy, ka mahafaka 29 Km/ora.
- Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’Antalaha sy Ste Marie rahampitso tolakandro na alina izy amin’ny tanjaka 65 Km/ora. Ho betsaka kokoa ny rotsak’orana manodidina ny faritra Analanjirofo sy Cap Masoala, izay hidirany (>150 mm).
Mananjary : Takaitra navelan'i rivodoza Batsirai
Mananjary : Takaitra navelan'i rivodoza Batsirai
(Loharano Météo Madagasikara)
Sary Nasa Rakotoasimbola
Météo : Situation 14 février 2022 à 18h
14 février : Journée internationale de sensibilisation aux cardiopathies congénitales
14 février : Journée internationale de sensibilisation aux cardiopathies congénitales.
14 février : Journée internationale de l'épilepsie
14 février : Journée internationale de l'épilepsie.
Ambatovy : Nampindrana fiaramanidina hitondrana ireo mpisehatra anatin’ny vonjy voina ho any Mananjary
Nampindrana fiaramanidina hitondrana ireo tompon’andraiki-panjakana sy ireo mpisehatra anatin’ny vonjy voina ho any Mananjary ny orinasa Ambatovy, ny sabotsy 12 febroary 2022, ho fanampiana an'ireo maro tra-pavoazana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai.
Marihina fa mbola sarotra ny fitaterana an-tanety makany an-toerana vokatry ny fahatapahan’ny lalana.
(Jereo Sary Tohiny)