Filtrer les éléments par date : dimanche, 13 février 2022
dimanche, 13 février 2022 22:02

IMBIKI Herilaza : Nametra-pialana

Nametram-pialana tsy ho Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana intsony Andriamatoa IMBIKI Herilaza tamin'ny zoma 11 febroary 2022.

Publié dans A la Une

Miverina amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra ao an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana sy Mahajanga renivohitr’i Boeny. Foana nanaraka an’izay koa ny Delestazy, ary efa misy ny drafitra hampaharitra ny vahaolana araka fanazavan’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo, Ramaroson Andry notronin’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny orinasa JIRAMA, Radanielina Rivo.

Foana ny fahatapahan-jiro nifandimby ao Toamasina, tomombana ny fanamboarana ilay milina mpihary herinaratra izay nisy fahasimbana.

Nisy ny fiaraha-midinika an-databatra boribory tamin'ny teknisiana nijerena ny vahaolana maharitra tsy hiverimberenan'ny fahatapahan-jiro mifandimby.

Hevitra nivoitra nandritra izany ny fampitomboana ny famokarana sy fanamafisana ny rafi-piarovana mba hisorohana ny fahatapahana matetika amin'ny tambazotra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Maro tokoa ny takaitra navelan’iny rivodoza voalohany nandalo teto Madagasikara tamin'ity taona 2002 ity, indrindra teto Analamanga iny, dia ANA izany, ary ahiana hanampy trotraka indray koa ny oram-pahavaratra mirotsaka amin’izao fotoana raha ny ao amin’ny Boriborintany faha-II eto Antananarivo Renivohitra.

Nidina ifotony, nitety fokontany nijery imaso ny fahavoazana tamin’ny Boriborintany nahavoafidy azy ny Solombavam-bahoaka sady mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, Lanto Rakotomanga sy ny Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa.

Publié dans Politique

Nitrangana hain-trano tao Tsararivotra Nosy Varika, Faritra Vatovavy ny andron’ity alahady 13 febroary 2022 ity.

Niainga tamin'ny tokantranon’ny mpampianatra iray ny afo, tokony ho tamin'ny 09 ora sy sasany maraina, raha mbola tany am-piangonana ny tompon-trano.

Vatoaratra na « batterie » an’irony « panneau solaire » irony no nirehitra ka niititatra, ary niteraka izao loza mahatsiravina izao.

21 ny trano rotiky ny afo, ary 15 hafa no voatery noravana tsy niitaran’ny afo.

Raha vao manomboka manarina ny takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai i Nosy Varika dia izao nitrangana haintrano goavana izao indray.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tsy mitsaha-manentana ny CENI, toy ny hita ao amin’ny pejiny facebook, fa roa andro sisa dia higadona ny 15 febroary, ary hifarana ny fotoana fisoratana anarana ao amin'ny lisi-pifidianana.

Ampiany fa mbola misokatra ny lisitra eny amin'ny Fokontany ny alatsinainy sy talata izao. Ary ampilendalendainy amin’ireo zo sitrahina rehefa misoratra anarana ao amin'ny lisitry ny mpifidy, toy ny hoe : afaka mifidy amin'ny androm-pifidianana, afaka mirotsaka hofidiana, afaka miasa ho mpanaramaso fifidianana ary afaka manao mpikambana ao amin'ny biraom-pifidianana.

Tamin’ny 1 desambra ny taona lasa, raha ny voatondron’ny Lalàna, no fanombohan’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, ary manomboka eo no tokony efa eny anivon’ny Fokontany ny lisi-pifidianana.

Ny zava-misy hatreto anefa, roa andro mialoha ny hikatonany, dia maro ny Fokontany tsy ahitana izany lisi-pifidianana izany, eny fa na eto Antananarivo Renivohitra aza.

 

Publié dans Politique
dimanche, 13 février 2022 18:16

13 février : Journée mondiale de la radio

13 février : Journée mondiale de la radio

 

Publié dans Fil info

Niroso tamin'ny fanomanana ny toerana izay ametrahana ireo mpivarotra eto amin'ny bar manarapenitra, izay tsy maintsy afindra toerana ny direction de l'environnement sy ny direction Urbanisme eto anivon'ny Kaominina andrenivohitry Toamasina.

Tafiditra ao anatin'ny tetik'asa Miami andiany faharoa ny eto amin'ny bar manarapenitra, ary misy ny fifanarahana natao fa omena toerana vojimaika ireto mpivarotra ireto mba ahafahan'izy ireo manohy ny velontenany.

Noraisin'ny Kaominina andrenivohitry Toamasina antanana ny fanampiana ireto mpivarotra ka ny eo akaikin'ny Box Otiv eo amoron-dranomasina no toerana natokana hoan'ireo mpivarotra izay miisa 57.

Publié dans Vaovao
dimanche, 13 février 2022 17:34

Covid-19 : Androy no fitaratra hatreto

Raha nahatratra 771 ireo voatily fa mitondra ny otrikaretina Covid-19 ao Analamanga, 107 ny ao Vakinakaratra, Anosy 107, dia herinandro maromaro nisesy izay, no tsy nahitana ity valanaretina ity ny tany amin'ny faritra Androy.

Azo eritreretina ny fandraisana andraikitry ny mponina, ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpitondra ary olom-boafidy any an-toerana.
Mety manampy izay ihany koa ny toe-trandro any an-toerana.

Publié dans Tselatra