Filtrer les éléments par date : samedi, 12 février 2022

Niverina amin'ny laoniny ilay foibe famokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro, na Centrale solaire, izay isany mamatsy herinaratra an’i Toliara. Nesorina moa izy io noho ny toetrandro ratsy, tamin’ny rivodoza Batsirai teo.

Novelomina ihany koa ny gropy faharoa mamokatra 2,5MW.
Efa velona ihany koa ny gropy iray ao Toliara, izay mamokatra 4,5MW. Miasa ihany koa ny 1,5MW vokarin’ny orinasa Henri Fraise & Fils.

Azo heverina fa afaka ny delestazy ny andro, fa ny alina kosa dia tsy ampy 3MW izay mitarika delestazy saingy hivaha sy ho ela izany.

Tonga tany Toliara moa ny Minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Andry Ramaroson sy ny Tale jeneraly mpisolo toerana an'ny orinasa JIRAMA Rivo Radanielina.

 

Publié dans Tselatra

Telo andro sisa no ananan’ny olompirenena, hisoratana anarana ao amin'ny lisi-pifidianana.

Hifarana ny 15 febroary izao izany fotoana fisoratana anarana izany araka ny fe-potoana faritan'ny lalàna.
Voakasik’izany manokana ireo vao feno 18 taona sy ireo vao nifindra monina, hanatona ny Fokontany onenany hisoratra anarana ao amin'ny lisi-pifidianana.

 

Publié dans Politique

11 febroary 1975 – 11 febroary 2022, feno 47 taona no namonoan’ny fahavalom-pirenena ny Kolonely Richard Ratsimandrava, enina andro monja taorian’ny nanoloran’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa ny fahefana taminy hitondra ny tany sy ny firenena.

Filoham-pirenena sady lehiben’ny governemanta ary minisi-panjakana nisahana ny fiarovam-pirenena sy ny teti-pivoarana ny Kolonely Richard Ratsimandrava.

Mijanona ho tsiambaratelo hatreto ireo nikotrika sy tompon’antoka tamin’ny namonoana azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique