Fanampiana ho an’ny traboina : Tonga halina ny avy amin’ny governemanta Japoney
Tonga halina teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ireo fanampiana avy amin’ny governemanta Japoney ho an'ny traboina noho ny rivodoza teto Madagasikara.
Tonga nandray izany teny Ivato, sady nitondra ny teny fisaorana avy amin’ny fitondram-panjakana sy ireo vahoaka traboina ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Tale jeneralin'ny BNGRC, notronin'ny Ambasadaoro Japoney miasa eto Madagasikara.
(Jereo Sary Tohiny)
Famatsiana : Voafehy ny vary erak'i Madagasikara
Voafehy ny vary erak'i Madagasikara. Tsy misy olana ny vary na aiza na aiza, na teo aza ireny andro ratsy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai ireny.
Misy vary hatraiza hatraiza, tsy misy olana ny vidiny fa araka ny namaritan'ny fanjakana azy.
Nampiasaina daholo ny fitaovam-pitaterana rehetra. Na tany amin’ireo faritra na toerana tapaka lalana noho ny rivodoza aza, nahita vahaolana hatrany ny fanjakana, niaraka tamin’ireo Kaomiseran’ny varotra erak'i Madagasikara.
Nisy ny nentina sambo, voakasik'izany ny vary nentina tany Antsiranana, Toliara sy ny toerana hafa nampiasana ranomasina.
Nisy ny nampiasana lakana nanaraka ny lakandranon’ny Pangalana, eny hatramin'ny sarety aza nampiasaina avokoa nahafahana nitatitra sy nanaparitaka vary. Eo mazava ho azy ny karazana fiara.
Betsinjaka - Toliara II : Hisitraka hazavana an-dalam-be avy amin'ny herin'ny masoandro
Hisitraka hazavana an-dalam-be avy amin'ny herin'ny masoandro manomboka izao ireo mponina manodidina ny 1600, amin'ny Fokontany 14 mandrafitra ny Kaominina ambanivohitr'i Betsinjaka-Toliara II.
Izao no tanteraka dia noho ny fIaraha-miasan'ny orinasa JIRAMA sy ny mpiara-miombon'antoka ENELEC ary ny fitondram-panjakana.
Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny delegasiona notarihin'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo Ramaroson Andry.
(Jereo Sary Tohiny)
Fifamoivoizana : Efa azon’ny fiara ifamezivezena ny RN25 sy RN12
Namoaka filazana ny ministeran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro fa miverina amin’ny laoniny ny asam-pitaterana ho an’ny zotra rezionaly sy nasionaly amin'ny lalam-pirenena faha 25 (RN25) sy lalam-pirenena faha 12 (RN12).
10 février : Journée internationale des légumineuses
10 février : Journée internationale des légumineuses.
Fifamoivoizana : Misokatra ho azon’ny fiara ifamezivezena ny lalam-pirenena faha 7
Namoaka filazana ny ministeran’ny Asa vaventy ny alarobia 09 febroary 2022, mampahafantatra ny mpampiasa lalana ny famerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena faha 7 (RN7).