Filtrer les éléments par date : mercredi, 09 novembre 2022

Mahavariana mihitsy ity hoe misy sarany lafo kokoa raha andefa vola any amin'ny Faritany, raha hiantso numéro mety hivezivezy any amin'ny faritany izany dia misy sarany ambony ihany koa.

Ny laharana finday anie ka ao anaty serveur, ka dia sandaina lafo kokoa ny mandeha faritany. Aiza koa moa no alalan'ilay mandefa vola fa lasa any amin'ny faritany ilay olona andefasany vola. Ny operateur no mahafantatra ny misy iny finday iny.

Asa na ny kioske no manao io sarany ambony io, fa raha ny tarif avoakan'ny Mvola aloha dia tsy miavaka io, nefa tokony fantatry Mvola izay fomba ataon'olona izay, satria dia mivandravandra mihitsy ny soratra ataon'ny cash point.

Asa ireo operateur hafa raha misy izany koa na tsia.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Natomboka tamin'ny fokontany tao amin'ny kaominina 7, andrefan'ny distrikan'ny Vatomandry, tao Tanambao Mahatsara ny fizarana tambin-karama ho an'ny Sefo fokontany sy ny lefiny, mitontaly 6 volana taty amin'ny Faritra Atsinanana.

Nisondrotra ho 40 000 Ariary isam-bolana nanomboka ny volana jolay izany. Tonga nizara izany taty an-toerana ny Governoran'ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore sy ny Préfet n'ny Toamasina AMBININTSOA Jean José, niaraka tamin'ny Lehiben'ny distrika sy Solombavambahoakan'ny Vatomandry.

Izao fampiakarana sy fandoavana ny tambin-karama nisy fahatarana 6 volana izao moa, dia ezaka nataon'i Minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, izay ny Faritra tarihan'i Governora RAFIDISON Richard Théodore no mitantana ireo fanapiana manokana ho an'ny fokontany ireo.

(Jereo sary tohiny)

Publié dans Sociale

Nigadona eto amin'ny seranantsambon'i Toamasina androany alarobia 09 novambra 2022 ny sambofiara na paquebot "HANSEATIC SPIRIT", raha niala tatsy amin'ny nosy La Réunion omaly hariva.

Miisa 189 ireo mpizahatany entin'ity sambo ity, ary irony mpizahatany VIP irony, izany hoe ireny mpanao "tourisme de luxe" ireny.

Toy ny efa fanaon'ny mpandraharaha ara-pizahantany dia ny fitsidihana ny tanàna, ny canal des Pangalanes, ny valan-jababoary Ivoloina, ny ao Bazar-Be, no tolotra aroso an'ireto mpizahatany ireto.

Androany hariva ihany dia hanohy ny diany ho any Sainte-Marie ity sambofiara ity.

Publié dans Economie
mercredi, 09 novembre 2022 18:14

No comment

No comment

 

Publié dans Fil info

Ho fameloma-maso indray ny fikambanan’ireo parlemantera eo anivon’ny COI, na ny Association des parlementaires de la Commission de l’Océan Indien (AP-COI), dia nisy ny fihaonan’ireo filohan’ny antenimiera mpikambana anatin’ny COI androany Alarobia 9 novambra 2022.

Nandritra izany no nanapahana fa hisy ny fanovana amin’ny ampahany ny fitsipika anatiny, napetraka ihany koa ny momba ny famatsiam-bola sy ny fampihodinana ny fikambanana, ary ireo laharam-pahamehana entina manatanteraka ny vinan’ny AP-COI.

Publié dans Politique

Zazakely 07 taona iray no hita faty tao anaty "piscine" tamina hotely iray teto Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe.

Rehefa nanao ny fanadihadiana ny Polisy teto an-toerana, dia fantatra fa nisy nanimba ity zazalahikely ity, ary nalefa tany anatin'ilay dobo filomanosana ny fatiny, hoentina hilazana fa nilentika ho azy tao izy.

Rehefa nitohy ny fanadihadiana nataon'ny Polisy dia fantatra fa vazaha iray 70 taona, teratany "espagnol" no niaraka tamin'ilay zazalahy kely nilalao tao anaty dobo filomanosana, ary samy tsy hita ny nalehan'izy ireo avy eo.

Publié dans Tselatra

Tonga taty Ikongo ny BNGRC, izay tompon'andraikitra voalohany amin’ny vonjy voina, noho ny fahavoazana mahazo ireo mponina aty an-toerana. Niaraka tamin’izy ireo ireo ny avy amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ireo mpiara-miombon’antoka.

Tokatrano miisa 3 200, ahitana olona miisa 16 000 avy amin'ny Kaominina miisa 09, no misitraka vatsy ara-tsakafo enti-mampiharina azy ireo, ka afahany miverina miasa sy mamokatra.

Tokantrano miisa 13 200 no misitraka vatsy ara-bola avy amin’ny PAM. Tokantrano miisa 10 000 no misitraka Vatsin’Ankohonana sy "Tosika Fameno" amin’ny alalan’ny tetikasam-panjakana Haraton’aina, izay tanterahin’ny FID, sy arindran’ny Minisiteran’ny Mponina.

Publié dans Sociale

Tetik'asa efa ela, niainga tamin'ny Autoroute de la Concorde, novolavolain'i Filoha teo aloha Didier Ratsiraka ny lalambe mikodana manodidina an'i Madagasikara.

Fony ny Mpanjakan'Imerina Andrianampoinimerina, dia efa nanana izay eritreritra "Ny ranomasina no valaparihiko".

Tonga ihany koa ireo fitondrana nifanesy, samy nieritreritra azy io avokoa.

Fa eo amin'ny enti-manana sy ny fomba hiatrehana azy hatrany no mametraka olana.

Rehefa manao lalana, dia ny fanontaniana voalohany apetraka dia ny hoe :

Publié dans Editorial