Filtrer les éléments par date : mardi, 08 novembre 2022
mardi, 08 novembre 2022 22:18

Manolotra asa, fa tsy mitady asa

Rehefa hiditra amin'ny sehatry ny asa, dia ataovy an-tsaina fa ianao no manana ilay fahaizana, na traik'efa amin'ny asa, ka ianao no manolotra ny asa ho an'ireo orinasa mila izany.

Esory an-tsaina izany ilay hoe MANGATAKA asa. Ny CV izany, tsy CV n'ny mpangataka, fa CV n'olona mampiseho ireo asa mety azony atolotra.
Dia mifanentana amin'izay koa ny sandany sy ny karama, ianao no mamaritra ny tianao atakalo amin'ny vidin'ny fahaizanao, fa tsy hoe izay omeny eo sitrany ahay, zara aza nahita asa.

Aza mitalao na miangavy na mitantara izay olam-piainanao rehefa hanolotra asa ianao. Ny olana eo aminy efa tsy zakany matoa mitady anao izy, ka ianao indray no anavesatra ny azy, tsy ilainy ianao rehefa hitany fa be olana.

Olona anampy azy amaha ny olana eo aminy no ilainy, fa tsy mpangataka na miondrikondrika mitalao, na be olana.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Nandray anjara tamin'ny hetsik'ireo mpitarika mitondra ny lohahevitra "Accélérer l'adaptation en Afrique" ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany 8 novambra 2022, izay tafiditra ao anatin’ny fihaonana an-tampony COP27, momba ny ady amin'ny fiovaovan’ny toetrandro, any Sharm El Sheick, Ejipta.

Ity hetsika ity dia nokarakarain'ny Vondrona Afrikanina, sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD), ary mikendry ny hampiseho ny fandraisan'andraikitra sy fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny fanafainganana ireo fepetra momba ny "adaptation", na ireo fepetra fampifanarahana an'i Afrika manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Nandritra ny anjara fitenenany no nanambaran'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa ny firaisankina no tokony hitondra ny ady iombonana : dia i Afrika miarin-doha manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Publié dans Politique

Nomarihina tetsy amin’ny CHU Ravoahangy-Andrianavalona ny fisantarana ny fanamarihana ny faha-50 taona nisian’ny “Neuro-Chirirgie” teto amintsika.

Tamin’io fotoana io no nahafantarana fa 15 monja ny mpitsabo Malagasy nandalim-pahaizana manokana momba ny fandidiana ny loha sy ny hazon-damosina “Neuro-Chirurgien”.

Sampan-draharaham-pahasalamana miisa 7 ihany no sahanin’izy ireo manerana ny Nosy.

Marisika ny mpianatra ho mpitsabo hiofana, saingy iray isan-taona ihany no raisina amin’ny alalan’ny “concours national de l’interne qualifié ”. Amin’izao fotoana izao dia 9 no isan’ireo mpianatra “Interne” ao amin’ity “Neuro-chirurgie ” ity.

Publié dans Sociale

Nitohy ny Alatsinainy 07 novambra 2022 ny fitsirihana ara-teknika ireo lalana namboarin'ny orinasa Sinohydro ao amin'ny Distrikan'i Nosy-Be.

Nanatanteraka izany tany an-toerana ny LNTPB (Laboratoire National des Travaux Publics et du Bâtiment). Nisy ny fanaovana ny "carotage" sy ny fakana ireo "plaques d'essais" tamin'ny lalana "Route du cratère" sy ny lalana "V1 et V2 croisement Madiro à Fascène". Misy ihany koa ny fanatanterahana ny "vérification de déflexion de la couche de roulement".

Nanatrika izany fitsirihana ara-teknika izany tany an-toerana ny Minisitry ny Asa Vaventy HATREFINDRAZANA Jerry, sy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Banky iraisam-pirenena, ary ny tetik'asa PIC (Pôle Intégré de Croissance).

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Ny tso-drano zava-mahery ! Notanterahina tao Amboroneoke, Fokontany Mahavatse 1 Toliara ny lanonana fanomezana tso-drano an'Atoa Jean Michel Henri, Solombavambahoaka voafidy tao Ambovombe, sady Kestora voalohany ny Antenimieram-pirenena, hahaleo, hahalasana amin'ny fitantanana ny Zanaky ny Faritany Toliara, izay mivondrona ao amin'ny FIZAFATO

Nitarika izany fitsofan-drano izany ireo HAZOMANGA ao amin'ny Foko Vezo.

Faly izahay hoy izy ireo, fa Raiamandreny tokoa ny Filohan'ny FIZAFATO ankehitriny, mampivondrona ny rehetra tsy ankanavaka, izay teraky ny Faritany Toliara.

Publié dans Politique

Tontosa ny alatsinainy 07 novambra 2022 tao amin'ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny orinasa SMA (Société Municipale d'Assainissement) sy ny APIS Solutions ary ny Kaominina Antananarivo renivohitra, mikasika ny fametrahana ozinina voalohany « pilote » eny Andralanitra, izay hamadika ny fako ho entona azo ampiasaina.

Nolaniana vao tsy ela teo anivon’ireo mpanolotsaina ny mahakasika ny fanombohana ny fanodinana ny fako eto Antananarivo.

Publié dans Vaovao