Filtrer les éléments par date : lundi, 07 novembre 2022
lundi, 07 novembre 2022 21:00

No comment

COP zay COP

Tafandria mandry an.
Patrick

 

 

Publié dans Pilo kely

Nisokatra androany eo amin'ny Parvis Analakely, ary hitohy hatramin'ny alakamisy 10 novambra ho avy izao ny : HERINANDRON'NY TANY SY NY FANAJARIANA NY TANY.

Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy izany ny Praiminisitra Ntsay Christian, notronin’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany Ramaholimasy Pierre Houlder.

Nanamarika ny fotoana androany ny fizarana titra, izay miisa 601, sy karatany 3 100 isa, narahina fitsidihana ireo trano heva.

Nisy koa ny famelabelaran-kevitra momba ny anjara asan'ny fanajariana ny tany, amin'ny andavanandrom-piainan'ny Malagasy, ny fitantanana ny tany ifotony, ireo karazana sata tany, ary ny paik'ady arahina amin'ny fangatahana tanim-panjakana.

 

Publié dans Sociale

Araka ny filazan'ny gazety lehibe any Amerika, Washington Post, dia manery ny mpitondra Okrenianina hisokatra amin'ny fifampiraharahana eo amin'ny Rosianina, ny fitondrana amerikanina.

Tsy ny firosoana amin'ny dinika ambony latabatra no ahiahin'ny Amerikanina, fa ny mety fahaverezana ireo firenena hafa manohana an'izao ady any Ukraine izao.

Hita ny faharerahan'ireo firenena mpomba an'i Ukraine, indrindra ny amin'ny fanakatonana ny mety hisian'ny dinika eo amin'ny roa tonta mifandona.

Efa ho 8 volana izao no nisy ny ady, ary tsy misy mangirana ny fivoahana ara-diplomatika amin'izany, na dia manao izay ampifanantonana ny roa tonta aza ireo firenen-dehibe, toa an'i Frantsa sy ny Amerikanina.

Publié dans Editorial

Handray anjara amin’ny fivoriana an-tampony, andiany faha-27, amin’ny fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana, mikasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, na « COP 27 », izay atao any Sharm El Sheick, Ejipta ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, sy ny delegasiona izay tarihiny.

Handray fitenenana mandritra izany fihaonana an-tampony izany ny Filoham-pirenena ny 8 novambra 2022. Hanamafy ny fitakiana efa nentina tamin’ny COP 26, tamin’ny taon-dasa, ny firenena Malagasy, ary hiantso ny andraikitry ny rehetra amin'ny fizarana ara-drariny ny ezaka hatao.

 

Publié dans Politique

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Antanimora, ny tolakandron'ny zoma 30 septambra 2022, i Mahery Lanto Manandafy taorian'ny nampakarana azy Fampanoavana, rehefa avy natao famotorana tao amin'ny sampana miady amin'ny heloka anabaka na Cybercriminalité, eo anivon’ny Polisim-pirenena, noho ny fitoriana nataona teratany vahiny iray mpandraharaha azy, ho nanao fanalam-baraka.

Nilaza tsy hanao fangatahana fahafahana vonjy maika moa ny lehilahy, raha ny nambaran'ny vadiny.

Nametraka fitoriana ity teratany vahiny, nolazainy fa tompon'ny famarotana antsokosoko bala entina amonoana ny Malagasy, ampiasain'ireo dahalo, i Malama, raha ny fanambarana nataon'ny vadiny hatrany, nefa tsy noraisin'ny fitsarana izany fitoriana izany, hoy izy.

Raha ny fantatra moa dia tsy avela hifanerasera amin'ireo gadra mpanao politika ao Antanimora ihany koa i Mahery Lanto Manandafy.

 

Publié dans Tselatra