Filtrer les éléments par date : dimanche, 06 novembre 2022

Pilo kely : Oh Tatie Lala, zany Dedesse zany anie ka andrarezin'ny kanto sy mozika e

Mendrika azy ny Palais des sports hanomezam-boninahitra azy farany, sy hiarahan'ny Malagasy miaraka miondrika sy mankahery ireo fianakaviana.
Omeo azy ny medaly ambony indrindra eto amin'ny firenena.

Tsaroako zokinay misaoty varavaran-kely, fony mbola kely zahay, andeha hanenjika an'i Dedesse ao Antsahamanitra, dia izahay tambazana coca rehefa miverina izy tsy hilazalaza amin'ny papanay hoe lasa nijery Dedesse.

Tafandria mandry.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Tontosa androany alahady 06 novambra 2022 ny hazakazaka ara-pirahalahiana, na ny "Course de l'Amitié", izay niatomboka teo amin'ny Parvis Analakely, nandalo teny Behoririka ary nifarana tao amin'ny Kianja Barea Mahamasina.

Hetsika izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin'i Chine sy Madagasikara, izay nokarakarain'ny Masoivoho Sinoa eto Madagasikara sy ny Fikambanana Sino-Malagasy.

Publié dans Vaovao

Vehivavy iray teratany afrikana tatsimo, tonga tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, no tra-tehaky ny Polisy nitondra rongony mahery vaika.

Nandritra ny fisavana ny entan'ny mpandeha no nahitana "Amphétamine" milanja iray kilao, sy "héroïne" iray kilao.

Fantatra fa entana noentin'ilay vehivavy 36 taona afrikanina tatsimo ireto rongony ireto.

Niroso tamin'ny fisamborana azy ny Polisy, ary rehefa natolotra ny Fampanoavana izy dia naiditra am-ponja eny Antanimora.

 

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 06 novembre 2022 11:00

Anatirova : 27 taona aty aorian'ny nahamay azy

6 novambra 1995 - 6 Novambra 2022,

27 taona lasa izay, no naha may ny tao Anatirova ka nahakila hotohoto ireo lapan'ny Mpanjaka nifandimby, nijoro tao sy ny fasana fitomiandalana.

Andalam-panarenana, ary niampy fotodrafitrasa vaovao Colisée naorin'ny fitondrana Andry Rajoelina eo amin’ny faritra nokasain'ny Mpanjaka Ranavalona III hanorenana ny Lapa Masoandro tamin'izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Nodimandry androany alahady 6 novambra 2022, maraina tao Antsiranana i Bezara Ernest na Dedesse.

Publié dans A la Une