Filtrer les éléments par date : samedi, 05 novembre 2022

Pilo kely nindramina : Tokony mba atao carottage koa ny compte bancaire sy ny volanareo nareo mpanao politika reo

Tafandria mandry fa Jiramaty koa aty e, retour à la normale hoy izy ireo taorian'ny fahavitan'ny milina famokarana faha efatra Andekaleka.

Patrick

 

Publié dans Pilo kely

RN7 route d'Antsirabe près d'Andranomanelatra

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Tao Antsirabe, tao amin’ny Eglizy Masimbavy Thérèse Mahazoarivo no nofidian'i Sophie Ratsiraka, Minisitry ny asatanana nahatsiarovana ny tsingerintaona faha-86 nahaterahan'ny filoha teo aloha, sady rainy, Didier Ratsiraka ny zoma 4 novambra 2022.

Lamesa lehibe no nentina nanamarika izany.

"Tia Tanindrazana, ary nampianatra anay ho tia tanindrazana i Amiraly. Nanetry tena, ary nampianatra anay hanetry tena ihany koa", hoy i Sophie Ratsiraka.

Nilaza ity farany fa anisan'ny tanàna tsy afaka tao ampon'ny Amiraly ny tananan'Antsirabe, toy ireo tanàna rehetra eto Madagasikara. Maro ireo orinasa nitsangana tao nandritra ny fitondrany, koa rariny tokoa raha nosafidiana manokana ny tanan'Antsirabe hanaovana izao fahatsiarovana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Fiara iray mpitatitra olona, hiazo ny Renivohitra, no latsaka tao amin'ny tetezana Andriambilany Ambatolampy RN7 androany maraina.

Olona iray no namoy ny ainy ; nifarimbona nanampy avy hatrany ny mponina teny an-toerana tamin'ny famonjena ireo naratra, ka nandefa azy ireo amin’ny toeram-pitsaboana ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin'ny Akademia Miaramila, izay an-dalana ho any Antsirabe.

 

Publié dans Tselatra