Filtrer les éléments par date : vendredi, 04 novembre 2022

Nivoaka tamin'ny fomba ofisialy androany 04 Novambra 2022 ny mpiofana Andiany fahadimy, misalotra ny anarana "Volamahitsy", eo anivon'ny ENAM (Sekolim-pirenena manofana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana).

Nivoitra nandritra ny lahateny nifandimbiasana ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny traikefa norantovin'ireo mpiofana nandritra ny roa taona « ho fanompoana ny firenena, ary ho famaliana ny filàn'ny vahoaka ihany koa ».

Vonona hatrany ireo 104 mianadahy Andiany "Volamahitsy" hifanome tanana amin'ny fanjakana hanatanteraka ny vina anaty fahadiovana.

Publié dans Vaovao

Misitraka lalana vita tara i Nosy-Be. Notokanan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany zoma 4 novambra izany.

Nisy anefa ny fitsirihana tampoka nataon'ny filoha nijerena ny kalitaon'ny lalana vita tara vao namboarina, mampitohy an'i Dar es Salam sy Cratère. Nandritra izany no nahitany fa tsy nanaja ny bokin'andraikitra sy ny kalitao notadiavina ny orinasa nanao ny lalana.

Hita tamin'ny fanaovana "carotage" na fakana singa, hoy ny filoha Rajoelina, fa 3cm hatramin'ny 4 cm ny hateviny, raha tokony ho 5 cm hatramin'ny 6 cm ny hatevina sy kalitao tokony natao.

Publié dans Sociale

Notokanana androany zoma 04 novambra 2022 ny toby famokarana herinaratra mandeha amin'ny herin’ny masoandro ao Diego Hely, Nosy-Be.

Mitondra tanjaka 1MW ity toby ity, ary 5 000kWh isan'andro no efa mirotsaka ao anatin'ny tambazotra, ka mampihena hatramin'ny 2 miliara Ariary isan-taona ny fandaniana solika.

Tsy maintsy hirosoana ny "hybridation" toy izao satria tanjona ny hampitsimbadika ny "mix énergétique" mba ho 60% ny fampiasàna angovo azo avaozina, ary 40% kosa ny fampiasàna solika.

Publié dans Economie
vendredi, 04 novembre 2022 18:54

Brezila : Nivoaka mpandresy i Lula

Notontosaina tany Brezila ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, nifaninanan'ny filoha amperinasa Jair Bolsonaro sy ny filoha teo aloha Lula.

Publié dans A la Une

Nitafa tamin'ny mpanao gazety, ny alakamisy 03 novambra 2022, ny Mpisolovava Rija Rakotomalala, izay mpikambana ao amin'ny Birao Politikan'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, mikasika ny fifanarahana eo amin'ny CENI Madagascar sy ireo Orinasa tsy miankina, ny amin'ny anisàna ireo mpifidy any amin'ny toeram-piasan'izy ireo, mandritra izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao.

Nambara tamin'izany fa tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka io fifanarahana io, satria any amin'ny Biraon'ny Fokontany sy eny amin'ny isan-tokantrano irery ihany no voalaza fa tokony hanaovan'ireo "Agents recenseurs" ny fanisàna ny mpifidy.

Mety hisy fiantraikany maro amin'ny fizotran'ny fifidianana noho izany ity fifanarahana ity, ka tokony atsahatra avy hatrany.

Manao antso avo noho izany ny Antoko MMM, ny amin'ny tokony hanajàna ny lalàna velona, mba hisian'ny fifidianana madio sy mangarahara, ary manentana ny Antoko politika rehetra tsy an-kanavaka hanohy ny fifampiresahana ao anatin'ny "Cadre de concertation", izay natomboka ny zoma lasa teo, ary eo ambany fiahian'ny CENI.

 

Publié dans Politique

Masoivoho miisa telo, dia ny an'i Côte d’Ivoire, Niger ary Venezuela no nifandimby tonga teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 02 novambra 2022, nanatitra ireo taratasy manendry azy ireo hiasa eto Madagasikara.

Atoa Sakaria KONE, masoivohon’i Côte d’Ivoire, Rtoa Mariama Seydou, masoivohon’i Niger ary Rtoa Mairin Josefina Moreno Merida, masoivohon’i Venezuela.

Ireo fiaraha-miasa rehetra ireo dia irariana mba hitondra fivoarana ho an'i Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Noraisin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza ny 02 novambra 2022 i Pasitera Raymond Koffi, mpitoriteny avy any Cameroun.

Anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Vondrom-bavaka ao amin’ny Antenimieram-pirenena no nanasana ity Pasitera Raymond Koffi ity, izay efa tamin’ny taona 2020 no nanam-pikasana ny ho avy eto Madagasikara, fa noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19, izao vao tanteraka izany.

Taorian’ny fihaonany tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena dia nanatanteraka famelaberalan-kevitra sy toriteny izay mitondra ny lohahevitra hoe « Qu’est-ce qu’être honorable ? » izy.

Nisaotra sy nankasitraka ny fandalovany teto amin’ny Lapa izao, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nanomboka ny alarobia 02 Novambra no nirotsaka amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo ny ambim-bava amin’ny vokatra herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro an’ny orinasa Cottonline, vondrona Socota ao Antsirabe.

Raha ny voalazan’ny lalàna manan-kery dia 40%-n’ny vokatra ihany no azon’ny orinasa Cottonline arotsaka sy amidy amin’ny orinasa Jirama. Tafiditra ao anatin’ny Optima Business moa izao fiaraha-miasa izao mba ho fanatsaràna ny tolotra ho an’ny mpanjifa sy ho fanomezan-danja ny angovo azo havaozina mba tsy ho verivery foana.

Publié dans Economie

Iharan'ny antsojay ireo Ben’ny tanàna tsy avy amin'ny vovonana politika eo amin’ny fitondrana, na tsy misolelaka amin'ny fitondrana. Matetika dia atao fitaovana amin'izany ny Fitsarana sy ny Bianco.

Iray amin'ireny ny Ben’ny tanànan'ny Kaominina Ambonivohitra Betafo, Faritra Vakinankaratra, Randriatahinamalala Livasoa, voafidy avy amin'ny tsy miankina "Firaisankina Betafo".

Voaantso eny amin'ny Bianco Ambohibao ity farany ny zoma 4 novambra 2022. Na tsy fantatra mazava aza ny antom-piantsoana na fiampangana, dia tsy tongatonga ho azy izany fa nisy nitoroka.

Publié dans Politique