Filtrer les éléments par date : jeudi, 03 novembre 2022

Notanterahina teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany 3 novambra 2022, ny fanaovan-tsonia fifanarahana fanamboarana ny "autoroute" mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina mirefy 260 km.

Hisy andaniny roa ilay lalana migodana, ka zotra roa isanisany avy, mandroso sy miverina, ary hisy toerana fiatoana efatra.

Orinasa ejipsiana SAMCRETE no hanao ny asa.

Publié dans Economie

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 02 novambra 2022, ny tolo-kevitry ny CNV (Filan-kevi-pirenen’ny Lavanila) amin’ny hisokafan’ny taom-panondranana lavanila efa voaomana ny 15 Novambra 2022.

Haharitra 6 volana sy tapany ny taom-panondranana 2022-2023, ka tsy hifarana izany raha tsy ny 31 May 2023.

Andro sisa no isaina araka izany, dia ho tonga eo amin’ny tsena iraisam-pirenena indray ny lavanila malagasy.

Fantatra fa havoaka koa ny boky tari-dalana hampahafantarana ny dingana samihafa arahina amin’ny fanondranana lavanila efa voaomana.

 

Publié dans Economie

Fahoriana sy fitaintainana ny an'ny mponina amin'ny Fokontany sasany ao Betioky tampon-tanàna vao mirotsaka ny orana, indrindra fa rehefa fahavaratra, satria dia tsy vitan'ny mandriaka ny rano mamakivaky ny tanàna, fa manimba zavatra.

Barazy simba efa ho 20 taona ao amin’ny Fokontany Antsakoandahy, avo toerana any amin'ny 7km miala an'i Betioky, no voalaza fa fototry ny olana.

Efa nidina ifotony nijery io toerana io ny Goverinoran'ny Faritra Atsimo Andrefana tamin'ny Janoary 2021.

Sakan-dano no tao, saingy novolen'ny Ntaolo barazy mba tsy handeha ao Betioky tampon-tanàna ny rano, rehefa fahavaratra.

Publié dans Tselatra

Nampahafantatra ny mpanjifa ao Ambovombe tampon-tanàna ny AES fa misy olana ny famatsian-drano ataony noho ny fahamaizan'ny "pompe de surface" sy ny "pompe immergée", vokatry fahatapatapahan'ny jiro matetika loatra.

Paompy miisa 3 avy hatrany no voalaza fa may, ary ny iray amin'io dia mintentina any amin'ny roa tapitrisa Ariary.

Vokany, mandeha ihany ny rano fa mitsitapitapy.

 

Publié dans Tselatra

​​Hatao laharam-pahamehana manomboka hatreto ny lafin'ny fandriam-pahalemana, araka ny tatitra nataon'ny filoham-pokontany Fetra Panoel Ratsitoara, nandritra ny fivoriam-pokonolona ny herinandro lasa teo.

​Eo ihany koa ny fanavaozana tanteraka ny rafitra misy ao amin'ity fokontany ity, sy fanarenana ireo lesoka nisy teo amin'ny fitantanana tany aloha.

​​Nandritra izay erintaona mahery nitantanana izay hoy ny filoham-pokontany Fetra Panoel Ratsitohara, dia nahitàna fivoarana tokoa ny fokontany, izay m​itaky ezaka goavana, na eo amin'ny mpitantana na eo amin'ny samy tsirairay.

Publié dans Vaovao

Ho voavaha ny olan'ny "Pont d'Ambohijafy" nolazain'ny olona tao Toamasina ho tetezan'ny "Manainga zipo".

Notontosaina ny Alatsinainy 31 Oktobra 2022 ny fametrahana ny vatofototra, mariky ny fanombohan'ny asa fananganana tetezana vaovao ao amin'io Fokontany 14/31 Boriborintany Ankirihiry io.

Ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Naharimamy Irmah Wilson sy ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana Rafidison Richard Théodore no nitarika izany.

Publié dans Vaovao