Filtrer les éléments par date : samedi, 26 novembre 2022

Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Beheva, Kaominina Androka, Distrikan'Ampanihy, Faritanin'i Toliary, ny andian-jiolahy mpangalatra voamason'olona.

Efa-dahy no voasambotra teto, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny andrimasom-pokonolona. Tovolahy 22 taona no lasibatr'izy ireo.

Raha ny filazan' ireo jiolahy dia efa lasan'ilay nampaniraka azy ireo ny maso roa, saingy tsy mbola nahazo vola izy ireo.


Publié dans Tselatra

Roa volana taorian'ny nitazomana am-ponja azy, dia heno fa hiakatra fitsarana etsy Anosy i Mahery Lanto Manandafy, na Malama, amin'ny Alatsinainy 28 novambra 2022 ho avy izao.

Tsy mbola fantatra aloha hatreto na hohenoina noho fitoriana napetrany tany am-ponja i Malama, na fitsarana ny raharaha nitorian'ilay teratany vahiny iray mpandraharaha azy ho nanao fanalam-baraka no hisy.

Tsiahivina fa tazomina am-ponja ao Antanimora i Mahery Lanto Manandafy ny 30 septamba 2022, taorian'ny nanolorana azy Fampanoavana rehefa avy natao famotorana tao amin'ny sampana miady amin'ny heloka anabaka na Cybercriminalité eo anivon’ny Polisim-pirenena noho ny fitoriana nataon'ilay lehilahy teratany vahiny iray mpandraharaha azy ho nanao fanalam-baraka amina resaka trafika fitaovam-piadiana.

Publié dans Politique

Kianja fanaovam-baolina, nahorina amin'ny alalan'ny kontenera miisa 974, izay ho ravana vao vita ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taranja baolina kitra, andiany faha-22 izay hatao any Qatar ny 20 novambra hatramin’ny 18 desambra 2022.

Stade Ras Abu Aboud no anaran'ity kianja 974 ity teo aloha. Mahazaka mpijery 40 000.
Anisan'ny mora indrindra izy noho ny fitaovana nampiasaina, ary nezahina ho kely indrindra ny fanimbana ny tontolo iainana na ny credit carbone.

974 ihany koa ny indicatif téléphonique n'i Qatar.

Andray anjara amin'ny lalao anio sabotsy 26 novambra 2022 i Frantsa, hifandona amin'i Danemark.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Îlot de la Vierge, iray amin'ireo toerana ao Ampefy, Faritra Itasy, mahasarika mpizahatany, na avy eto an-toerana na vahiny.

Manana ny tantarany ity toerana ity, fa iray amin'ny be mpilaza dia hoe, eo no ivon'i Madagasikara ara-jeografika ity toerana ity, no sady fanaovan’ny mpino kristiana fivahinianana masina, izay naorina tamin'ny andron'ny Filoha Philibert Tsiranana.

Nataon'ny fanjakana ankehitriny fanamby ny nanamboatra ho rarivato manara-penitra ny lalana mampifandray ny lalam-pirenena faha 43 mankany amin'ity toerana ity, izay mirefy 5,4km, sady fampanantenana nataon'ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fiodinana faharoa tamin’ny fampielezan-kevitra nataony 2018 rahateo.

Notokanana nakotroka ny 5 desambra 2021 ny fotodrafitr'asa. Nisy diabe sy fotoam-pivavahana nanamarihana izany.

Herintaona aty aoriana, mihotsaka ny ampahan-dalana, ary manahy ny mponina fa ho tapaka io lalana io raha mitohy ny rotsak'oran,a ka anarain'izy ireo ny mpitondra.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nomarihana ny 25 novambra 2022, tao amin'ny Novotel Ankorondrano, ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy na ny "16 jours d'activismes".

Fiaraha-monina anaty fitovian-jo, lavitra ny herisetra no lohahevitra entina hanamarihana izany amin’ity taona ity.

Nohamafisin-dRamatoa Mialy Rajoelina, sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, fa na toy ny ahoana ny fisehony, na inona na inona ny endriny, ny herisetra atao amin’ny vehivavy dia fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ary i Madagasikara, hoy izy, dia manana rafitra ara-dalàna miaro ny vehivavy amin'ny herisetra mianjady aminy.

Publié dans Sociale

Nodinihina ary nolanian’ireo solombavambahoaka tsy nasiam-panitsiana ary tsy nasiam-panovana ny zoma 25 novambra 2022, tao amin'ny Lapan'i Tsimbazaza, ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2023.

Marihina fa tsy nanisy fanovana sy fanitsiana ihany koa ny tao amin’ny asam-baomiera.

Miisa 95 no nanatrika ny fivoriana, ka solombavambahoaka 93 no nandany izany, ary 2 no nitsipaka.

 

Publié dans Politique

Hisy fanamboarana sy fametrahana tetezana vonjimaika ao Talata Ampefy, eo amin’ny PK12+900, ny sabotsy 26 novambra tolakandro. Ho tapaka ny fifamoivoizana mandritra ny asa.

 

Publié dans Tselatra

Hametrahana "centre immatriculateur" aty Antsirabe, izay hiasa tsy ho ela. Notsidihin'ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, TOKELY Justin, nandritra ny fankalazana ny andiany faha-4 amin'ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny Faritra, izay tanterahina aty an-toerana, ny foto-drafitrasa vaovao izay handraisana an'io ivo-toerana io.

Manara-penitra ny foto-drafitrasa, ary efa nisy ny fampitaovana maro samihafa, ka miandry ny fitokanana azy sisa dia afaka ny hanome tolo-draharaha ho an'ny vahoaka ny ivo-toerana.

Ho afa-pahasahiranana ny mponina aty Antsirabe satria tsy voatery hiakatra any Antananarivo intsony raha hikarakara taratasy momba ny fiara.

Hitohy amin'ny Faritra hafa moa ny fametrahana ny "centre immatriculateur" toy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Manana andraikitra feno amin'ny fitantanana ny orinasa JIRAMA ny Filankevim-pitantanana, araka ny sata mifehy ny orinasa.

Manoloana ny tsy fahasalaman'ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, Radanielina Rivo, izay tsy mbola afaka manohy ny asany raha tsy ny 09 desambra izao, dia raisin'ny Filankevim-pitantanana ny fampiodinana ny orinasa JIRAMA.

Teboka maromaro arak'izany no asiam-panavaozana :

Fanavaozana ny "organigramme" an'ny orinasa, izay hiompana amin'ny fametrahana ny tompon'andraikitra tsirairay amin'ny toerana tokony hisy azy, ary fanomezana fahefana be be kokoa ny direksiona iraisam-paritra.

Publié dans Tselatra