Vokatra fanondrana : Adala izay tsy miaro ny tombotsoany
Ny masoivoho vahiny monina eto amintsika, tsy hoe haingon-trano akory, fa miaro ny tombotsoan'ireo teratany sy mpandraharaha any aminy no antom-pisiany.
Amin'ny maha "Maso Ivoho" azy (Maso aoriana), dia sampana fitsikolovana sy fakana akom-baovao ara-politika, ara-ekonomika na toe-karena, ara-bola, ara-kolotsaina, ara-teknolojika izy.
Ampiasainy avokoa ireo fitaovam-pitsikilovana ahatongavana amin'izany.
Ampiasainy anamafy ny tombotsoany na ny kolo-tsaina any aminy ireo fikambanana, na avy any aminy, na ireo omeny famatsiam-bola eto an-toerana.
Misy ny famonosany amin'ny endriny maro izany fiarovana ny tombotsoany sy ny kolo-tsainy izany, miainga amin'ny fanampiana, ny asa sosialy, izay fantany fa mila izany ny tany mahantra, indrindra raha mpitondra velon'ataka.
Taom-piotazana letisia : Hanomboka amin’ny 29 novambra ny any SAVA
Miomana amin’ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia ny any amin’ny faritra SAVA. Nofaritana hanomboka amin’ny 29 novambra 2022 izany taorian'ny fidinana ifotony nataon'ny teknisianina nanamarinana raha efa mahafeno fepetra amin’ny hamaminy ny vokatra.
Tsiahivina fa efa nisokatra ny 22 novambra ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana, raha toa ka tamin’ny 20 novambra ny tany Atsimo Atsinanana.