Filtrer les éléments par date : jeudi, 24 novembre 2022

Hotanterahina aty Toamasina, amin'ny taona 2023, ny ASIEF na ny fiadiana ny amboara ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara.

Manao fihaonambe nasionaly mandritra ny hateloana nanomboka androany Alakamisy ka hatramin'ny sabotsy 26 novambra 2022 ao amin'ny ivotoeran'ny Fitaleovam-paritra miahy ny tanora sy fanatanjahantena aty Toamasina ireo solontena manerana an'i Madagasikara, tarihan'ny filoha nasionalin'ny ASIEF, Randrianarison John Love, na John Love ny ahafantaran'i Toamasina azy.

Handinika sy haminaviana lalina ny ho fanatanterahana amim-pahombiazana ny lalao ara-panatanjahantena, manaraka ny lalànan'ny lalao, kanefa mety amin'ny rehetra.

Publié dans Sport

Natomboka androany Alakamisy 24 novambra 2022 ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny Lycée Zafy Albert Antsiranana.

Karnavaly lehibe namakivaky tanàna no nisantarana izany. Maro ny hetsika hanamarihana izany.

Namoaka mpitondra maro ity sekoly ity, anisan'izany ny Praiminisitra Ntsay Christian, minisitra taloha José Rakotomavo, Zasy Lucien, ...

Hitohy hatramin'ny jona 2023 ny fankalazana.

 

Publié dans Tselatra

Mizotra tsara ny fanondranana lodsia. Andro fahatelo nisokafan'ny taom-piotazana anio.

Mifanaretsaka ny mpamboly, mpanamboatra garaba, mpitatitra, mpanangom-bokatra, mpiasa lodsia.

1300 Ariary ny kilao andraisan'ireo orinasa ny lodsia, misy 1350 Ariary ny sasany.

Sambo roa no hitondra ny lodsia mankany Eoropa, dia ny Atlantic Clipper hitondra 8400 taonina, sy ny Baltic Clipper mahazaka 5400 taonina.

 

Publié dans Economie

Nahazo antso vonjy ny Zandary tao amin'ny Borigadin'i Mahitsy ny 12 Novambra teo fa lasan'ny dahalo ireo omby miisa telo tao am-pisoko, tao amin'ny Fokontany Ankeniheny Alarobia Kaominina Mananjara.

Natao ny fanarahan-dia sy ny angom-baovao ka tratra ambodiomby ny telolahy nandroaka ireto omby halatra nihazo ny Renivohitra ny 22 novambra 2022.

Nandritra ny fanadihadiana dia mbola nanonona anaran' olona hafa mpividy sy mpandray ireto omby halatra izy ireo.

Any am-ponja izy ireo ankehitriny.

 

Publié dans Vaovao