Filtrer les éléments par date : mercredi, 23 novembre 2022

Anisan'ny seha-pihariana iankinan'ny tantsaha malagasy mpamboly amanetsiny ny famokarana, famarotana, ary fanondranana lodisia.

Miisa 40 000 mahery ireo mpisehatra mandraharaha mivantana ao anatin'ny fambolena lodisia.

Mandalo fahasahiranana, toy ny sehetra fanondranana vokatra hafa ihany koa ny lodisia, na ny nafitsoky ny valanaretina Covid-19, na ny fahasahiranana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, amin'ny ady any Ukraine, manginy fotsiny ny fiakaran'ny saram-pitaterana sy ny kojakoja ary fandaniana rehetra amin'ny sera iraisam-pirenena.

Manoloana izany anefa, ny fikambanan'ireo mpamboly, fikambanan'ireo mpanondrana sy mpikirakira lodisia, dia miezaka hatrany manatsara sy mampakatra ny lenta maha matihanina ny sehatra lodisia.

Publié dans Editorial

Nihotsaka ny arabe eo amin'ny PK 60 amin'ny lalam-pirenena faha-31 (RN 31) mampitohy an'Antsohihy sy Bealanana, vokatry ny fangalarana ny "buse métallique".

Vokany, tapaka ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-31.

Manao ny ezaka rehetra hamerenana ny fifamoivoizana amin'io ampahan-dalana io ny Minisiteran'ny Asa Vaventy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra