Filtrer les éléments par date : mardi, 22 novembre 2022

Nanolotra ny famelabelarana amin’ny ankapobeny ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny ny taona 2023 ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, nandritra ny fivoriambe tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza androany talata 22 novambra 2022.

Nampatsiahivin’ny Minisitra fa mifototra sy miainga avy amin’ireo veliranon’ny Filoham-pirenena ny teti-bolam-panjakana, ary mifanandrify amin’ny lalan-tsain’ny “Emergence de Madagascar”.

Ny fironana ankapobeny dia mitodika bebe kokoa amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, ny famporisihana ny mpampiasa vola eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny indostria. Eo ihany koa ny fametrahana foto-drafitrasa lehibe, izay mandray anjara amin’ny fampitomboana ny harikarena faobe, sy ireo foto-drafitrasa sosialy.

Araka izany dia vinavinaina ho 4,9% ny tahan'ny fitomboan’ny harikarena faobe.

Publié dans Politique

Nisokatra nanomboka tamin’ny 4ora tolakandron'ity talata 22 novambra 2022 ity ny taom-piotazana letisia ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo.

Maro ny fiara mitatitra letisia nitandahatra niandry ny paik'ora nisokafan'ny tsena.

1300 Ariary ny letisia iray kilao no andraisan'ireo orinasa mpanondrana ny vokatra.

Nisy ny hetsika fanamboarana ireo lalana tena ratsy (points noirs) amin’ny lalam-pirenena faha-5, hanamorana ny fitaterana letisia.

Marihina fa efa miantsona ao Toamasina efa andro vitsivitsy izay ny sambo mitondra ireo kaontenera hanondranana ny letisia malagasy hiazo an'i Eoropa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ao anatin'ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha-5 (RNS 5) mampitohy an'i Toamasina sy Foulpointe ny orinasa WIETC ankehitriny.

Nanatanteraka ny asa fanamboarana ireo "points noirs" ny orinasa, izay natomboka avy any Toamasina sy Foulpointe, mba hampirindra ny fifamoivoizana sy hitsinjovana ireo mpandraharaha mandritra ny taom-piotazana letisia.

Haharitra 12 volana ny asa fanamboarana, izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa PDDR "Projet de Développement Durable des Routes" sy ny CERC "Composante d'Intervention d'Urgence et de Contingence", izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola, hanarenana ireo lalam-pirenena simba tao aorian'ny fandalovan'ireo rivodoza nifanesy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Notanterahina ny alatsinainy 21 novambra 2022 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Andron’ny parlemantera handinihana ny fiovan’ny toetr'andro, nitondran’ireo teknisiana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy fanazavana sy famelabelaran-kevitra teo amin’ireo solombavambahoaka.

Nosafidiana manokana ny Antenimieram-pirenena noho ireo solombavambahoaka akaiky ny Vahoaka, no sady mahalala ny zavatra rehetra mitranga eny ifotony.

Fanazavana mahakasika ny antony, ny fisehony, ny fiantraikany sy ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr'andro, ary ny drafitra sy ny tetikady entina hiarovana sy ho fanarenana ny firenena, ary ny fitadiavana famatsiam-bola enti-miady amin’izany.

Publié dans Politique