Filtrer les éléments par date : lundi, 21 novembre 2022

Naharay fitarainana ny Fitaleavam-paritry ny varotra sy fanjifana, na DRICC Boeny, fa misy ireo mpivarotra izay manafangaro ny vary gasy sy vary nafarana.

Nidina nanara-maso tao amin’ny tsena Marolaka ao Mahajanga ny DRICC tamin’ny Alarobia 16 Novambra 2022, notronin'ny lehiben'ny tsena sy solontenan'ny mpivarotra.

Tsikaritra fa manana tahiry vary nafarana ny mpivarotra vary, ary soloin'izy ireo ny gony.

Fitiavan-kely hampitomboana ny tombom-barotra amin’ny hefetsifetsena no mahatonga ireo mpivarotra sasany hanao izany.

Nampitandrina ireo mpivarotra ny tsy hamindra ny vary nafarana anaty gony hafa ny DRICC. Nentanina koa izy ireo hametaka hatrany ny vidin’ny vary sy hanoratra mazava tsara ny karazany.

Publié dans Vaovao

Efa nisokatra ny alahady 20 Novambra 2022 ny taom-piotazana letisia ho an'ny Faritra Atsimo Atsinanana.

Nanomboka roa andro alohan’ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia any amin’ny faritra Atsinanana ny any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Ny alahady 20 Novambra dia efa nalalaka ny tsenan’ny letisia any an-toerana araka ny Didim-pitondrana noraisina teo anivon’ny Faritra.

Somary nihena ny vokatra raha oharina tamin'ny taona lasa noho ny fandalovan'ny rivodoza “Emnati” tany amin'ny faritra Atsimo Atsinanana. Nanampy trotraka koa ny tsy fisian'ny rotsak'orana amin'ny vanim-potoana ilan'ny vokatra izany.

Noho izany rehetra izany dia nandrasana ho matoy tsara ny letisia vao notazana, ary azo namidy. Vinavinaina ho 5 000Ar ny iray garaba amin'izany.

Publié dans Economie

Nanainga tao Toamasina ny Alatsinainy 21 novambra atoandro ny "Groupe électrogène", manana tanjaka 110 KWA, hanoloana ny any Marolambo, izay potika niharan'ny fandoroana ny Alahady 20 novambra alina.

Hatao ny ezaka rehetra mba hahatongavan'ity fitaovana ity farak'izay haingana, na dia eo aza ny hasarotan'ny làlana mirefy 130 km, hoy ny Tale iraisam-paritra Ramatoa Randriamampionona Tsitohery Francesca. Ity farany ihany koa nilaza fa tsy maintsy hanorina "hangar" vaovao ny JIRAMA, satria may tsisy azo raisina intsony ilay teo aloha.

Publié dans Tselatra

Miitatra hatrany ny Faritra ahitana tranga Covid-19. Faritra 9 aminy 23 no ahitana, ary tranga vaovao ny 173 amin'izany tato anatin’ny herinandro.

Tsy nisy ny aina nafoy, saingy 3 amin'ireo marary no maneho fahasarotana.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanatanteraka atrikasa na "team building" nandritra ny 4 andro tatsy amin'ny Nosy Maorisy ny Governora Hery Rasoamaromaka, sy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Faritra Analamanga.

Araka ny fanazavan'ity farany dia fanasana azony tamin'ireo mpiara miombon'antoka avy atsy amin'ny Nosy Maorisy no nanatanterahana izany Atrik'asa izany, izay niompana tanteraka tamin'ny resaka fambolem-bary, ny fiompina trondro ary ny fanorenana, no natao tany, ary tsy ho ela dia hisy ny fiaraha-miasa hatao momba io sehatra io.

Publié dans Politique

Potika ny Jirama Marolambo. Nisy nandoro ny foibe famokarana herinaratra. Nasaritaky ny andian'olona ny antontan-taratasy sy fitaovana hafa tsy may.

Ny alin'ny alahady 20 novambra 2022 no nitranga ny fahamaizana. Andian'olona nentin-katezerana noho ny tsy fisiana jiro, ka tsy nahitana lalonam-panokafana sy lalao voalohany ny fiadiana ny tompondaka manerantany amin’ny baolina kitra.

Niezaka nanaparitaka sy nifehy ny zava-misy ny mpitandro ny filaminana, saingy lehibe ny fahavoazana.

Publié dans Tselatra

Nitohy ny Zoma 18 Novambra 2022 ny fitsidihan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy ny any amin’ny Faritra Atsinanana. Tanatin’ny fandaharam-potoanany ny fitsidihina tao amin’ny Seranantsambon’i Toamasina.

Varavaravana roa ihany no ivoahan’ny lavanila malagasy mandritra ny taom-panondranana 2022-2023, izay nisokatra ny Talata 15 Novambra 2022 lasa teo, dia ny any amin’ny Seranantsambon’i Toamasina sy ny eo amin’ny Seranampiaramanidina Ivato.

Tonga nijery maso ny toerana fanatobiana entana (entrepôt) handraisana ireo lavanila alohan’ny hanondranana azy ny Minisitra. Mahafeno fepetra ho amin’izany ny “Hangar” an’ny SMMC ao anatin’ny faritry ny Seranantsambo.

Niarahan’ireo tompon’andraikitra samihafa nanotrona ny Minisitra misahana ny Varotra, niaraka tamin'ny Tale jeneralin’ny SPAT, ny Tale jeneralin’ny SMMC, ny avy amin’ny CTHT.

Tsy maintsy mandalo fitsirihana mantsy ny lavanila, ka jerena amin’izany ny fatran’ny vanilline (taux de vanilline) sy ny hamandoana (taux d’humidité) mba hitazonana ny hatsaran’ny vokatra avy eto Madagasikara.

 

Publié dans Economie

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Keliandrandraina, Kaominina Kiranomena, Distrikan’i Tsiroanomandidy.

Fiara mpitatitra mampitohy an'i Kiranomena sy Tsiroanomandidy, ary hiazo an'i Tsiroanomandidy no tra-doza, ka nivarina an-kady ny sabotsy 19 novambra 2022, tokony ho tamin'ny 9ora sy sasany maraina.

Olona telo no namoy ny ainy, ka anisan'izany ny lehiben'ny Fokontany mivady, ao amin'ny Kaominina Mahajeby, maro ireo maratra, anisany ny mpamily.

 

Publié dans Vaovao

Lalana mirefy 407 km ny RN1 Bis, mampitohy an'i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava amin'i Maintirano, Faritra Melaky.

Mampikolay ny mpampiasa lalana ny haratsiany, na ny 4x4, izay fiara mpitatitra amin'iny lalam-pirenena iny aza mila tsy ho afaka aminy. Telo na efatra andro raha malaky, mety herinandro an-dalana rehefa fahavaratra toy izao.

Efa vita "terrassement" io lalana io tamin’ny 2008, ary saika hatao tara ny taona 2009, saingy tsy tanteraka noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena, ary dia rava teo ny nofinofin'ny Vahoakan'i Melaky.

Publié dans Tselatra