Filtrer les éléments par date : mercredi, 02 novembre 2022

Lehihaly iray, mpianatra ho mpitandrina amina fiangonana zandriny ao Miandrivazo, no nosamborin’ny miaramila sy ny zandary, noho ny resaka fakana an-keriny ny tenany, mba ahazoana vola be.

Nisy ny fitaka nataony tamin'ireo olona akaiky azy, ary ny 27 oktobra 2022 lasa teo izy no nanomboka tsy hita.

Nampandre ny mpitandro filaminana ireto farany ary nanao ny ezaka rehatra hikarohana azy, vokatr'izay anefa dia hita fa ity tovolahy ity ihany no namorona izany fakàna an-keriny azy izany, ka izao nosamborina izao.

 

Publié dans Tselatra