Filtrer les éléments par date : samedi, 19 novembre 2022

Nisintaka tsy hitarika ny Asa Vita no Ifampitsarana na AVI i Norbert Lala Ratsirahonana, izay izy mpanorina ny antoko. Nandritra ny fihaonam-ben’ny antoko tao Toamasina no nanambarany izany androany, nifanandrify indrindra amin'ny tsingerintaona faha-84 nahaterahany.

Publié dans A la Une

Notokanan'ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, TOKELY Justin, ny zoma 18 novambra 2022 ny biraon'ny Kaominina Onjatsy sy Kaominina Mahabo, izay samy ao anatin'ny Distrikan'i Vohipeno, Faritra Fitovinany.


Famatsiam-bolan'ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny CIAD no nahavitàna an'ireto foto-drafitrasa ireto.

Ankoatra izay dia notolorana jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro ireo Kaominina ireo mba hanampy ny fanazavana ny tanàna.

Publié dans Politique

Any Djerba, Tonizia ny delegasiona Malagasy hanatrika ny fihaonana an-tampony faha-18 ny frankôfônia, na ireo firenena miteny sy mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay.

Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.
Hifantoka betsaka amin’ny fisokafan’ireo firenena mpikambana amin'ny haitao ara-kajy mirindra ny lohahevitra mandritra ity fihaonambe any Djerba ity.

Haharitra roa andro ny fihaonana ary isan’ny handrasana mandritra ity hetsika ity ny fifidianana ny ho Sekretera Jeneraly vaovaon'ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) sy ny firenena handray ny fihaonana an-tampony faha-19.

 

Publié dans Politique

Nahazo Eveka vaovao i Mahajanga.

Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Missionnaire de la Sainte Famille, no notendren’ny Papa Fransoa ho Evekan’ny Diosezin’i Mahajanga, androany sabotsy 19 novambra 2022, nafindra avy any amin’ny Diosezin’i Morombe.

Ny 16 oktobra 1958 izy no teraka tany Nietuszkowo any Pologne ;
Tao aorian’ny Fianarana ambaratonga faharoa, dia niditra tao amin’ny Fikamban’ny Missionnaires de la Sainte Famille (MSF) izy ny 15 aogositra 1979 ;
Ny 8 septambra 1980 izy no nanonona ny voady voalohany ;
Ny 8 septambra 1983 no nanonona ny voady farany ;
Ny taona 1980 hatamin’ny 1985 izy dia noraisina ho mpiofana tao amin’ny Scolasticat sy ny Seminera zokiny an’ny MSF ao Kazimierz Biskupi, any Pologne, ary nanaraka ny fianarana filozofia sy teolojia tao amin’ny Institut Pontifical de Théologie tao Poznan, ary nahazo ny mari-pahaizana Master sy Licence amin’ny Droit Canonique.

Publié dans Art et Culture

Nitsoaka ny trano fonenany ao Ambatolahy Miandrivazo ny zazavavy kely 12 taona noho ny herisetra ataon'ny Reniny niteraka azy sy ny fanolanana in-droa nisesy nataon'ny Raikeliny azy.

Tany Miandrivazo ilay zaza vao hita. Simba tanteraka ilay ankizy vavy taorian'ny fizahana nataon'ny Dokotera tao Miandrivazo.

Nanokatra fanadihadiana ny Zandary tao Ambatolahy rehefa nahazo fanairana. Fantatra fa lehilahy 37 taona sy vehivavy 31 taona, izay mpivady monina ao Tsarahonenana, Fokontany Ambatolahy I, Kaominina Ambatolahy, Distrikan'i Miandrivazo, no tompon'antoka amin'izao herisetra miaro fanolanana izao.

Natolotra ny Zandary ao Miandrivazo izy mivady ireto ny 15 Novambra 2022 nanaovana famotorana, ary efa voatazona am-ponja vonjimaika ao Miandrivazo amin'izao fotoana izao.

 

Publié dans Vaovao

Nanatanteraka hetsika fandatsahana orana ny Météo Madagasikara sy ny JIRAMA ny 16 hatramin’ny 18 Novambra 2022. Ny sahan-driaka Andekaleka sy Tsiazompaniry ary Mantasoa, izay misy ny toha-drano sy ny milina famokarana herinaratra no kendrena amin’izany.

Tanjona tamin’izao hetsika izao ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny famatsiana rano sy herinaratra ho an’Antananarivo sy ny manodidina.

Tsara ny vokatra raha ny fampitam-baovao satria dia niaraha-nahita ny firotsaky ny orana ny 16 Novambra 2022 lasa teo. Mbola nitohy moa izany fandatsahana orana izany ny 17 sy 18 Novambra 2022.

Mikorontana ny famatsian-drano sy ny famokarana herinaratra noho ny tsy fahampian’ny rotsak'orana, ka ritra ny loharano, ary mihena ny fatran’ny rano mikoriana eny amin’ny renirano. Anisan’ny vahaolana amin’izany ny fandatsahana orana artifisialy.

(Loharano : Foibe famantarana ny toetry ny andro)

 

Publié dans Tselatra

Atoa BAHOEJY, ilay mpamorona sy tompon'ny dihy "BAHOEJY", mampiavaka ny Faritra Sofia. Faniriany ny mba hananany trano mateza hitoerany, ary ny hisitrahany tombontsoa amin’ny maha mpanakanto azy.

Nampanantena ny hanamboatra trano ho azy ny Jeneraly Lylison René de Rolland, Governoran'ny Faritra Sofia, sady zanak'i Sofia. Natomboka ny zoma 23 Septambra 2022 ny fanamboarana ilay trano ao Ambohimandririna, Kaominina Ambodimandresy - Distrikan’i Antsohihy, izay misy efitra 02 sy lakozia.

Andalam-pahavitana ilay trano ankehitriny, ary azo antoka fa ao i Bahoejy no hitsena ny taona vaovao 2023.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture