Filtrer les éléments par date : vendredi, 18 novembre 2022

Raha ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, nandritra ny fandaharana fanaony isaky ny zoma atoandro ao amin’ny haino amanjerim-panjakana, dia lalao 28 amin’ny 64 no azon’ny fahitalavitra tsy andoavam-bola alefa mandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taranja baolina kitra, andiany faha-22 izay hatao any Qatar ny 20 novambra hatramin’ny 18 desambra 2022.

Efa nandoavan’ny Fanjakana vola, hoy ny minisitra, ny fividianana ny zo handefa ny sary amin’izany.

Ireo fahitalavitra andoavam-bola ihany no mahazo ny tolotra misy lalao 64. Ny tolotra omen’ny Federasionina iraisampirenena misahana ny baolina kitra (FIFA).

 

Publié dans Sport

Efa ela no nahenoana ity lehilahy ity amin'ny fandrobana cash point teny amin'ny faritra Ambohibao - Ankadidravola Ivato.

Andrasany mirava ilay mpitantana cash point dia arahiny, ary ampiharany ny heriny anaovany sinto-mahery avy eo. Matetika izy miaraka amin'ny namany.

Ity tranga ity izao dia nofafazan'izy ireo ranon-tsakay ilay vehivavy, ka kely sisa ny tsy nahazoan'ireto mpandroba ny vola mitentina 1 000 000 Ariary tany aminy.

Tsy lavitra teo anefa ny Zandary, ary ny Fokonolona rahateo koa nanampy, ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

Manao krisimasy sy farany taona any am-ponja ilay lehilahy 45 taona, tsy te hisasatra fa handroba fotsiny ny an'olona.

 

 

Publié dans Vaovao

Nandray ny firaisa-monim-pirenena malagasy ny Filoha Razanamahasoa Christine teto amin’ny Antenimieram-pirenena ny alakamisy 17 novambra 2022 folakandro.

Nampahafantatra sy nanasa ny Antenimieram-pirenena ho tonga hanatrika ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fitantanana ny tontolo iainana ny 9 desambra ho avy izao eny amin’ny CCI Ivato izy ireo.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Politique

Kamiao iray hanatitra vary avy amin'ny PAM na Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana momba ny sakafo hamonjena ireo vahoaka sahirana any Midongy Atsimo no tra-doza, nivadika noho ny haratsian-dalana.

 

Publié dans Tselatra

Hisokatra ny Talata 22 novambra 2022 izao amin'ny 4 Ora tolakandro ny taom-piotazana letisia ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo.

Io no tapaka taorian'ny fivoriana niarahan'ireo Vondron'ny Mpanondrana Letisia sy manampahefana ao amin'ny Faritra Atsinanana, notarihin'ny Governoran'ny Faritra, Rafidison Richard Théodore.

Noferana ho 1300 Ariary ny vidin'ny iray kilao mandritra ny fotoam-piotazana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Les préparatifs pour la récolte des litchis en 2022 sont en bonne voie. Le Ministre Edgard Razafindravahy, s’est rendu à Toamasina ce jeudi 17 novembre 2022, quelques jours avant l'ouverture de la saison.

Le prix minimum pour 1 kilo de litchi en 2022, jusqu'à la fin de la saison de récolte, a été fixé à 1300 Ar, si cela était de 1200 Ar auparavant. Il s'agit d'une mesure prise pour protéger les acteurs de la filière litchis, principalement les agriculteurs qui sont une priorité pour le Ministre de l’Industrialisation, du Commerce et de la Consommation.

Une visite des stations de traitement de litchis à Toamasina a eu lieu, telles que Litchis SCIM et Quality MAD. Cette dernière est une entreprise entièrement malagasy, car le propriétaire est d'origine malagasy et emploie la population locale.

Publié dans Economie